Hafakely ! Lehilahy iray sahabo ho 25 taona voalaza ho mamon-drongony no nahavita nandidy sy nandratra mafy ny tenany tamin’ny antsy, ny sabotsy hariva teo, tao Tsimenatse Toliara.
Nihosin-dra tanteraka ny tenany vokatr’ity famonoan-tena hafahafa ity. Tatatataka ny tanany havia, feno dian’antsy ny teo amin’ny kibony. Raha tsy nisy nanakana ity tovolahy ity dia efa lasa tany amin’ny varo-tsy mifody. Araka ny loharanom-baovao, isaky ny mamon-drongony ity bandy ity dia misetrasetra sy migafy eo an-tanàna. Tsy tantin’ny mpiara-monina aminy intsony ny fihetsiny feno setrasetra ka niteny azy ny manodidina. Niakatr’afo ny anao lahy dia nandeha naka antsy ary nandidy tena mba hanehoany ny hatezerany, hono.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.