Actualités

Lehilahy iray matin’ny daroka Miverina ny GESTAPO ?


  • Alarobia 20 Jolay 2011

Nangingina tsy dia noresahina fa nezahina nafenina ity raharaha ity, na nisy olona maty aza.

 Ny alin’ny alatsinainy 18 jolay teo dia nisy lehilahy iray manodidina ny telopolo taona eo, voalaza fa nitoraka ny koritezy (cortège) nitondra an’i Andry Rajoelina raha nandalo teny Ankasina andrefan’ny 67ha, hanatitra azy mianakavy teny Ivato handeha ho any andafy. Io olona io avy hatrany no nosamborin’ireo mpiambina ny filohan’ny FAT ary dia nentina tao Ambohitsorohitra. Tao, araka ny loharanom-baovao, no nanaovana fanadihadiana azy, nampiasana ny fomba samihafa. Omaly talata vao maraina tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany tany anefa dia nisy miaramila nanatitra an’io lehilahy io teny amin’ny HJRA Ampefiloha. Minitra vitsy taorian’ny nahatongavany teny anefa dia maty izy. Ny nanaterana azy vao mangiran-dratsy aloha dia efa nametraka ahiahy. Nilaza rahateo koa ny dokotera tao fa mety ho vokatry ny famonoana azy no nahafaty an’ity lehilahy ity na tsy nisy ratra velona hita aza tamin’ny vatany.

Ahiana ho mety voadona tany amin’ny faritra mahafaty azy mantsy ity lehilahy ity. Ny polisy mpitsongodia alemàna tamin’ny andron’ny Nazi fantatra amin’ny anarana mazala hoe : GESTAPO (Geheime Staatspolizei) no tena mpampihatra ity fanadihadiana an-terisetra, nefa tsy ahitana fery amin’ny vatan’ny olona ity, nandripahana ny Jiosy. Betsaka no nitondra faisana tamin’izany, ary nindaosin’ny fahafatesana mihitsy. Mety tsy mifanalavitra amin’izay fomba fiadin’ny GESTAPO izay ny nihatra tamin’ity lehilahy ity, izay tsy mbola fantatra mazava ihany koa ny mombamomba azy.

Nitondra takaitra tamin’io fomba hafahafa io ry Tonton Ambroise izay nosamborina ankeriny raha nivahiny naneho hevitra tao amin’ny radio Fréquence Plus ny 15 mey 2010, na tsy tao Ambohitsorohitra aza no nitazonana azy. Toy izany koa ny nihatra tamin’ny Pastera Rafanonerantsoa Valisoa taorian’ireny raharaha FIGN tamin’ny 20 mey 2010 ireny, ary ny jeneraly Raoelina tamin’ny raharaha BANI. Tsy mahagaga raha ireny no fivoakan’ny tatitra nataon-dRtoa Hillary Cliton tamin’ny 09 jolay teo, mitsikera ny tsy fanajana zon’olombelona mihoapampana mitranga tato anatin’izao fitondran’ny Fahefana avon’ny tetezamita izao. Inoana fa hisokatra ny fanadihadiana mikasika ity fahafatesana olona taorian’ny nitazonana narahina fandakoana azy tao Ambohitsorohitra ity, ka hahafantarana ny tena zava-misy marina.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT