Fifanandrifian-javatra sa firaisana tsikombakomba ? Taorian’ilay fanafihana Karana mpivarotra firavaka iray tao Antsirabe ny zoma 30 aogositra teo mantsy dia lehilahy iray no fantatra fa nosamborin’ny polisim-pirenena ka nahatrarana bala marobe tao an-tranony.
Rehefa nataon’ny polisy ny fampitahana dia fantatra hatreto fa balan’ny mpitandro filaminana ireto tratra ireto ary karazany maro mihitsy izany, izay nahatratra 154 isa. Nahitana vanja nilanja 250 grama koa niaraka tamin’ireo bala ireo ary bala maromaro efa nipoaka ihany koa. Mihevitra ny mpitandro filaminana fa mpamatsy bala ny jiolahy ity lehilahy ity satria ireo tranga maromaro niseho tao Antsirabe, nanomboka tamin’ilay fanafihana tao Avaratsena ka nahafatesana vehivavy iray, ny nahafaty ny Ben’ny tanànan’i Manapa, ny fanafihana mpandraharaha iray tao Mahazoarivo ary ilay Karana tao Antsenakely dia hita tamin’ireto avokoa ireo karazam-bala niasa tamin’izany. Nambaran’ny kaomisera Manamijoro fa efa ela no mety nanaovan’ity tovolahy ity ny asa ratsiny tao Antsirabe raha ireo tranga ireo no jerena. Fa anisan’ny nahagaga ny mpitandro filaminana dia tsy misy anaran’olona mihitsy ny «répertoire»-n’ny findain’ity ranamana ity fa «code» avokoa no ao ary voalaza ihany koa fa taorian’ny fotoana nahasamborana azy dia mbola maneno ny findainy ka noraisin’ny polisy ary dia olona mbola nanafatra bala no miantso tao.
Nanaovana vela-pandrika fa tsy tonga ireo olona, izay voalaza fa avy any amin’ny faritra atsimo any sy avy any andrefana ireo olona miantso ireo, izay ninian’ny mpitandro filaminana tsy nolazaina ny toerana hatreto. Tsy mbola vita tanteraka moa ny fanadihadiana tamin’ity lehilahy tratra ity saingy tapitra ny fe-potoana ahafahana mitazona azy ka dia nentina teny amin’ny fitsarana aloha izy. Ankoatra ireo bala marobe ireo dia mbola nahitana karazan’entana samihafa nampiahiahy ihany koa ny tao an-tranony toy ny fanafody gasy, tapakilan’ny taksibrosy … Mbola manao antso avo hatrany ny mpitandro filaminana mba hampandre raha toa ka misy olona na tranga mety hampiahiahy mba hanamorana ny asan’izy ireo.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.