Actualités

Lehiben’ny Faritra Tsy sahy manao fanambaram-pananana avokoa


  • Talata 01 Martsa 2011

Nanao tatitra ny asa nataony tamin’ny taona lasa 2010 tamin’ny mpanao gazety ny Bianco Toamasina, ny zoma teo.

Nivoitra tamin’izany fa «matotra ny fiaraha-miasa tamin’ny mpanao gazety matoa nisy ny vokatra azo, ary misy ny fahalalan’ny olona ny tena asa ataon’izany Bianco» izany, hoy ny kolonely Ratovoson Benjamin, Talem-paritry ny Bianco ao Toamasina. Tamin’ny tatitra nataony kosa no nahalalana, fa tsy sahy manao fanambaram-pananana ireo tompon’andraiki-panjakana ao anatin’ireo faritra telo mandrafitra ny faritanin’i Toamasina. Na iray tamin’ireo lehiben’ny faritra telo ireo tsy nisy nanao izany fanambaram-pananana izany, toy izay koa ny mpikamban’ny Kongresin’ny tetezamita (CT) izay vao napetraka vao haingana sy ny filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) izay HAT teo aloha ihany. 34% monja izany ny taona 2010 raha 56% ny taona 2009 ary 41% ny taona 2008.

Ny hany nahavita ny fanambaram-pananana eo dia ny «Officiers de police judiciaire», ny mpitsara sy ny sampam-pitsarana sasany ary ny mpiasan’ny Bianco sampana Toamasina. Voalazan’ny tatitry ny Bianco Toamasina koa fa ireo sehatra dimy voalohany tena anjakan’ny kolikoly ao Toamasina, dia voalohany ny fitsinjaram-pahefana ka lohalaharana amin’izany ny Kaominina sy ny Faritra, ny faharoa ny fananan-tany sy ny fandrefesan-tany, manaraka azy ny fampianarana, ny Zandary no fahefatra ary fahadimy ny fitsarana. Ankoatra izay, dia naharay fitarainana 50 isan’andro ny Bianco Toamasina ny taona lasa, niisa 605 izany ny taona lasa, nihena raha noharina ny taona 2009 : 894 sy 2008 : 1.526 ary 2007 : 857, ny antony dia ny krizy. Tamin’ireo fitarainana voaray ny taona lasa ireo dia ny 104 ihany no mifandray amin’ny kolikoly, ny 98 no nanaovana fanadihadiana lalina ka nandalo fitsarana ny 46. Tao anatin’izay dia ny 41%-n’ny antontan-taratasy niditra fitsarana no namoahana MD ho an’ny mpanao kolikoly.

 
Rakoutou
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT