Miseho lany ny fanilikilihana ireo heverina ho “tsy namana ara-politika” satria lazaina fa olon’ny Praiministra lefitra Hajo Andrianainarivelo.
Niharan’izany ny lehiben’ny faritra Itasy Andrialalavonjy Solomanoro omaly nandritra ny fitokanana tranompokonolona tao Imerintsiatosika. Sady mpanomana ity lanonana ity no mpanasa ihany koa anefa ny lehiben’ny faritra, miaraka amin’ny lehiben’ny distrika ka anisan’ireo tomponandraiki-panjakana tokony handray anjara fitenenana tahaka ny mahazatra. Na Ratsivalaka Michel, tompon’andraikitry ny sehatra sosialy eo anivon’ny fiadidiana ny Fat aza talanjona tamin’ilay fiovan’ny fandaharana tampoka. Araka ny loharanom-baovao dia “ baiko midina avy any Ambohitsorohitra”no nahatonga io fanapenam-bava ny tompon’andraikitra voalohan’ny faritra Itasy io, izay nesorina tao anatin’ny lisitry ny tokony hikabary.
Ankoatra io dia nisafoaka mafy koa ny mpandrindra nasionalin’ny Tgv ramatoa Rakotomavo Lanto rehefa nosakanan’ireo mpiandry akaiky an’i Andry Rajoelina teo am-baravarana tsy hanatrika ny fivoriana niarahany tamin’ireo ben’ny tanàna ao Itasy. Nirintona ka lasa nirifatra tamin’ny fiara namonjy fodiana taty an-drenivohitra avy hatrany ny tenany noho izany sady tsy niara-nisakafo tamin’ny besinimaro. Nanaraka azy ihany koa ireo mpikambana TGV tao anatin’ilay efitrano fivoriana. Lasa fahavalon’ny ekipan’ny TGV mihitsy ireo rehetra mamofompofona Hajo Andrianainarivelo ankehitriny satria nisy Cst TGV niteny tamin’ingahy lehiben’ny faritra hoe “mba jereo ihany izay asiana ny tongotra”. Zanaky ny faritra Itasy ny filohan’ny faritra Andrialalavonjy Solomanoro, ka noho izany dia nisy ihany ny olona tany an-toerana tohina noho izao fanapenam-bava nahazo azy izao
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.