Actualités

Lehiben’ny Faritra Boeny Miaro tena mafy


  • Alatsinainy 11 Aprily 2011

Tonga eto an-drenivohitra, mitarika ny delegasionin’ny tanora mandray anjara amin’ny fifaninanana basikety sokajy U-22 ny lehiben’ny Faritra Boeny, Rasoloniaina Jean Christophe Noël.

“Miditra lalina amin’ity hetsika ity ny ministeran’ny fanjariana ny tany mpiahy anay”, hoy izy, “nanome toromarika anay ny hikarakarana manokana ireo tanora hoavin’i Madagasikara ireo. Ny ahy manokana anefa dia noho ny fitiavana fanatanjahantena amin’ny ankapobeny koa no tena hitarihako ity delegasiona ity. Efa in-droa nandrombaka “Coupe du Président” i Boeny tany Mahajanga sy SAVA ka tsy maintsy tomorina akaiky ny ankizy amin’izany fa hery lehibe ho azy ny fanotronanao raiamandreniny”. Eo amin’ny sehatra politika dia niaro tena fatratra amin’ny fiampangana azy amin’ny lafin-javatra maromaro malaza eto amin’ny firenena Atoa Rasoloniaina Jean Christophe Noël.

Mikasika ny raharaha “Gradin”, toerana hananganana ny hopitaly manara-penitra ao Mahajanga dia nohazavainy fa “tanin’ny ministeran’ny tanora io no natolotra ny ministeran’ny fahasalamana, izay fifanarahana samy fanjakana fa tsy misy hidiran’ny Faritra na kely aza. Tsy misy vola miala amin’ny Faritra, na koa miala amin’ny vahoaka ny hanamboarana io hopitaly manara-penitra io fa fampanantenan’ny filohan’ny HAT, mba hanarahan’ny mpitsabo any an-toerana sy ny mpianatry ny oniversite any ny fivoarana ara-mpitsaboana tsy mitsaha-mivoatra ankehitriny”. Mikasika ilay raharaha mampikatso ao an-tseranan-tsambon’i Mahajanga ireo hazon’ny mpandraharaha tokony haondrana dia nambaran’ity lehiben’ny Faritra Boeny ity fa efa tapitra nosavain-dry zareo avokoa ireo kaontenera rehetra tao amin’ity toerana ity.

Nisy ny tsy fanta-tompo sady tsy ara-dalàna na dia efa nandoa tamberimbidy aza. “Izay ara-dalàna kosa dia tokony havela aondrana amin’izay”, hoy izy. Nilaza moa Rasoloniaina Jean Christophe Noël fa efa niala tanteraka tamin’ity lalam-pihariana hazo ity. Fanomezan-dalana ahazoan’ny mpitandro ny filaminana manaraka hoe tonga any amin’ny tokony handefasana azy tokoa ve ny entana alefa sa tsia no sisa ataony. Nidina tampoka any Soalala izy omaly alahady 10 aprily nanara-maso akaiky ny fampiharan’ny orinasa sinoa Wisco mitrandraka vy any, ny fanomezana tombontsoa nifanarahana ho an’ny vahoaka any an-toerana satria tokony hipaka tanteraka any ifotony ny tombontsoa rehefa ny taniny no kitikitihana. Ankoatra ny fanotronany ny fametrahana ofisialy ny lehiben’ny distrika vaovaon’i Soalala koa izany, Razafindrazaka Céléstin.

 
Manohy
 

SARY :Rasoloniaina Jean Christophe Noël, Lehiben’ny Faritra Boeny

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT