Nisy ny resadresaka nifanaovan’ny Tia Tanindrazana tamin’i Andrianjohaninarivo Manana Harivelo na i Dadamanana, anisan’ireo mpitarika ny hetsiky ny mpomba ny ara-dalàna ao amin’ny Magro Antsirabe mikasika ny hetsika hataon’izy ireo ny sabotsy 14 mey ho avy izao.
Tia Tanindrazana (T.T) : Mby aiza ianareo izao mikasika ilay hetsika amin’ny sabotsy ao amin’ny Magro Avaratsena ?
Dadamanana : Marina tokoa izany. Toy ny eran’i Madagasikara dia hisy tokoa ny hetsika hatao eto Antsirabe amin’io fotoana io ho fanehoan-kery mialoha ny hivorian’ny SADC ny 20 mey ho avy izao, handraisana fanapahan-kevitra mahakasika an’i Madagasikara. Fa ankoatra izay dia hanaporofoana ihany koa fa tsy miaraka amin’io Governemanta lazaina fa fisokafana io ny vahoaka ka ampahafantarina azy fa efa tsy izy intsony izy fa efa ampy izay fotoana nampahoriana ny vahoaka izay. Nolazaina fa hametraka ny tena demokrasia izao fitondrana izao saingy ny jadona sy famoretana no tena nataony ary nofoanany tanteraka ny fahalalahana. Koa hilaza izahay fa mbola ao tanteraka ireo mpitaky ny famerenana ny tena ara-dalàna ka aseho ho hitan’izao tontolo izao mihitsy izany.
T.T : Ny fahitanareo ny fivoahan’ny FAT any ivelany matetika ity ?
Dadamanana : Marina tokoa fa mitady izay hirika rehetra handresen-dahatra ny vondrona iraisam-pirenena izy ireo amin’ity fitondrana mandeha ila tarihiny ity, izay lazainy fa efa mandeha sy milamina ny raharaham-pirenena saingy ny mpomba ny ara-dalàna dia efa mizara ihany koa ny andraikitra ka ny filoha Ravalomanana dia efa manao izay fampahafantarana ny toe-draharaha misy marina eto Madagasikara izay amin’ireo vondrona iraisam-pirenena ireo ihany koa satria izy any am-potony any ary ny eto an-toerana, ny ankolafy telo dia maneho ihany koa fa tsy misy zavatra mandeha sy milamina araka ny eritreritry ny FAT eto. Porofon’izany dia korontana sy grevy hatrany ny misy eto hatramin’ny nahatongavan’ireo teo amin’ny fitondrana.
T.T : Inona no antenainareo amin’ny Vondrona SADC amin’io fivoriany io ?
Dadamanana : Betsaka ny fanantenana satria raha jerentsika fotsiny ny fanambarana nataon’ny masoivohon’ny Vondrona Eropeanina eto Madagasikara dia efa nilaza mazava izy ireo fa izay fanapahan-kevitry ny SADC ihany no arahin’izy ireo. Ka ho diso fanantenana fotsiny ny FAT amin’ny fivezivezena any ivelany any ary fandaniam-bola no tena ataony any.
T.T : Misy mitonona fa hitarika hetsika ihany koa ao amin’ny Magro amin’io sabotsy io, mizara roa ve izany ny hetsika ?
Dadamanana : Hitanay tokoa ny fanambarana milaza izany. Tsy hoe mizara roa ny hetsika fa ireny olona ireny dia tao aminay tokoa ary mitovy ny tanjona dia ny famerenana ny ara-dalàna saingy nisy ny nandoto rano ka nisintaka ary nitory ny mpiara-mitolona tao ary nahatonga ny namanay sasany hiditra am-ponja mihitsy noho ny nataon’ireo olona ireo ka tsy mandray azy ireo ho fahavalo izahay saingy tsy anisan’ny mpitarika ny hetsika ao intsony izy ireo ka miala izahay amin’izay zavatra mety hiseho ataon’ireo olona ireo. Ny ao amin’ny Magro mantsy dia fiaraha-mitantana no ao ka ny zavatra atao dia iaraha-manapaka ka mahagaga anay sahady ny fanehoan-kevitra ataony nefa izahay ny alarobia (anio) vao hivory handamina ny fandaharam-potoana amin’ny sabotsy, ary tsara ampahafantarina ny vahoaka ihany koa fa ny mpitarika ao amin’ny Magro ihany no mifandray amin’ny any amin’ny foibe any Antananarivo fa tsy ny any anelanelan-trano any.
T.T : Misy ve izany ny ady eo aminareo roa tonta ireo ?
Dadamanana : Tsy misy ny ady fa izy ireo no nisintaka araka ny voalazako teo, ka mahagaga indray ny hitadiavany hirika hiverina ao amin’ny Magro. Fa aminay dia hevitra hitadiavana fanankorotanana ny tolona ataonay fotsiny io ka entanina ny mpitolona ho mailo fa sao tsy fantatra ny ambadiky ny fihetsik’io ranamana io, ary manentana antsika ho tonga maro amin’io sabotsy io ao amin’ny Magro Avarantsena.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.