Actualités

Laza Razafiarison MD eny Antanimora


  • Alakamisy 25 Jolay 2013

Famoriam-bahoaka tsy nahazoana alalana, fanohintohinana fiainam-bahoaka ary fanelingelenana fifamoivoizana.

Ireo no anisan’ny vesatra niampangana ny Sekretera jeneralin’ny antoko Avotra ho an’ny Firenena sady kandida filoham-pirenena, Laza Razafiarison sy ireo fito niara-voasambotra taminy teo Analakely ny talata 23 jolay teo. Natolotra ny fampanoavana omaly tamin’ny fiandohan’ny tolakandro izy ireo rehefa avy notanana 24 ora, nanaovana fanadihadiana teny amin’ny Borigadin’ny zandary Betongolo. Naharitra ora roa mahery teo ny fihainoana azy ireo tetsy amin’ny Lapan’ny fitsarana Anosy.

Nivoaka ny didy savaranonando taorian’izay, mandefa azy ireo am-ponja vonjimaika eny Antanimora, miandry ny fitsarana izay hatao rahampitso zoma 26 jolay. Nanao ranolava ny fanehoan-kevitry ny mpanao politika sy ny olon-tsotra manoloana izany, izay amin’ny ankapobeny manameloka ny fomba nisamboran’ny Emmo-Reg an’ity kandida ity sy izao fitanana am-ponja izao nefa tsy nisy trano vaky na voaroba na fananan’olona simba  teny Analakely.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT