Naneho ny heviny mikasika ny tsy fisian’ny lahatsoratra tamin’ny laza adina taranja Alemana nandritra ny fanadinana Bakalôrea ankapobeny farany teo ny minisitry ny fampianarana ambaratonga ambony Rasoazananera Monique omaly raha efa ela no niandrasan’ny maro azy.
Nambarany fa efa nisy ny solom-bahaolana noraisina nifandraika tamin’izany ka tsy tokony hanana fanahiana be loatra ny ray aman-dreny sy ny mpiadina rehetra. Tsy nanao kitotoa mihitsy izahay raha nitranga iny zavatra iny satria hiankinan’ny hoavin’ny tanorantsika ny fanadinana Bakalôrea. Ny solom-bahaolana noraisina dia efa voavolavola hatrany am-piandohana satria olombelona daholo isika mety ho tratry ny sanatria sy azon-tsampona, hoy izy. Nanamafy izy fa na teo aza iny olana iny dia tsy hahafoana ny fanadinana Bakalôrea velively. Na eo aza ny maha olombelona dia tokony hisy hatrany ny fanaraha-maso akaiky ny laza adina amina fanadinam-panjakana tahaka ireny mba tsy hanimba ny sain’ny mpiadina. Maro ny mpianatra nikorotan-tsaina, very fifantohana noho iny kitoatoa iny izay azo itarafana ny fomba fiasa tsy matotra misy amin’ny fitantanana ny firenena amin’izao fotona
Pati
Legende : Rasoazananera Monique, Minisitry ny fampianarana ambaratonga ambony
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.