Actualités

Lavanty ao amin’ny Port Toamasina Maro mpisoloky


  • Alakamisy 07 Martsa 2013

Nanova fomba fiasa ny ladoany Malagasy nentina nanatsarana ny fanaovana lavanty eo anivon’ny seranantsambon’i Toamasina.

 Na teo aza anefa izany dia tsy kely lalana ireo mpisoloky, maka vola amin’ireo mpiady lavanty amin’ny filazana fa ny “receveur” ny ladoany sy ny vadintany mpanao lavanty no mitaky izany. Olona roa dia i SH milaza olon’ny FAT sy olona iray avy any Antsirabe izay efa “mpibizina”, no efa fantatra hatreto ary efa misy ny fitoriana  azy ireo. I SH dia efa in-droa nahazo entana nandritra ny lavanty fa tsy naka izany ka tafiditra ao anatin’ny lisitry ny “défaillants”; ny lavanty natao ny herinandro teo mbola nahazo entana ihany izy ka nolavin’ny mpanao lavanty ary teo no nihavian’ny olana.

Naelin’i SH ny feo fa misy kolikoly ny lavanty ao Toamasina. Ilay faharoa kosa dia ny famoriana olona sy manao fampanantenana amin’ireo mpiady lavanty amin’ny entana tiany no tena fanaony. Maka vola be amin’ireo olona manaiky rebirebeny mihitsy izy. Efa narantin’ny ladoany ho fantatry ny mpiady lavanty ny mombamomba ireto olona roa ireto, sy ireo olona rehetra tafiditra anatin’ny lisitry ny “défaillants”.

Rakoutou 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT