Naharay fitarainana avy amin'ireo mpiara-miasa aho fa misy manary fatin-javatra maimbo be eny Antsahamaina eo amin'ny faritry ny biraom-pokontany, fokontany Antsahabe,
kaominin’I Bongatsara, hoy ny filohan’ny fikambanana Tanora mandray andraikitra, Tsiry Andriamihantasoa. Vao naheno izany aho dia nidina nijery ifotony ka dia voamarina fa ao anaty lava-dranon'ny biraom-pokontany no nariana ireo trondro simba ireo, hoy izy. Maimbo tsy misy azo iainana ny manodidina . Sao dia efa tsy rariny intsony ny zavatra hataonareo tomponandraikitry ny kaominina eto? Tsara ho marihina fa ity toerana ity dia misy trano eo amin'ny 200 tafo eo ary misy mponina mipetraka sy monina eo izay hatao hoe ''Village Famonjena'' izay nahorin'ny Association Famonjena. Misy sekoly izay eo amin’ny 100 metatra miala an'io toerana io. Hoy ireo mponina tamiko hoe fa angaha izahay rehefa mahantra dia hatao fanariana maloto? Araky ny vaovao voaraiko dia mbola misy trondro amin’ny taonina maromaro mila hariana. Rehefa tsy hitanareo izay hanariana ny malotonareo dia hataovy eo an-tokontanireo tomponandraikitra any na eny amin'ny biraonareo eny fa aza aty an-tokotaninay . Miantso ny tomponandraikitra mahefa rehetra, ny ministeran'ny tontolo iainana, ny ministeran'ny mponina, ny ministeran'ny atitany, ny “préfet de police” Atsimondrano, ny lehiben'ny distrika Atsimondrano mba handray andraikitra faran'izay haingana amin'izao toe-draharaha izao, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.