Dimy andro taorian’ny tsy fahitana azy fa lasan’ny rano, hita tany amin’ny Betaretra fokontany Ankarahara ao anatin’ny Kaominina Ambohibary Moramanga ny nofo mangatsiakan-dRabeharison Haingo,
ilay renim-pianakaviana lasan'ny rano ny alin'ny asabotsy teo tao Ambarilava, Moramanga, araka ny loharanom-baovao avy amin'ny zanany. Tamin'ny 12 ora atoandro no nahazo antso tamin'ny mpanolontsain’ny tanàna na « conseiller » tao Ambohibary ny “Adjoint” miantraikitra ny Distrika ka avy hatrany dia nandeha nijery tany ka voamarina fa ity ramatoa lasa ny rano teo amin’ny Galana Ambarilava Moramanga ity hita faty ity. Tao anatin’ny fotoana nahavaky ny tohodranon’Ambodiakondro no nahalasibatra azy ; raha ny fanazavana dia niampita rano izy ary nisy rangahy iray nitantana azy teo amin'ny tetezana Moramanga ambanin'ny Galana ka sendra ilay toho-drano vaky izy ireo. Ilay Rangahy nitantana azy moa dia efa hita tamin’io andro io ihany ny nofo mangatsiakany. Tafiakatra ho 8 izany ireo olona namoy ny ainy vokatry ny loza nateraky ny andro ratsy tao anatin’ny distrikan’I Moramanga. Raha miala kely an’I Moramanga, dia miisa 4 ihany koa no namoy ny ainy tany amin’ny distrikan’I Brickaville. Efa maherin’ny 40 ny olona namoy ny ainy manerana ny Nosy. Mankahery sy mirary fiononana feno hatrany ho an’ny fianankaviana namoy ny havana aman-tsakaiza noho ny loza nandalo isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Nangonin’i Pati sy Toky R
Legende : Rakotompokovavy fony fahavelony
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.