Actualités

Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Nampahery ireo fianakaviana manaman-jo ny Ankolafy telo


  • Zoma 02 Septambra 2011

Tsy nanadino ary tsy nanao tsinontsinona ny soatoavina malagasy ary nitŕna hatrany ny fahendrena napetrak’ireo zoky raiamandreny tany aloha ny avy amin’ny Ankolafy telo.

 Na dia eo aza mantsy ny tsy fitovian-kevitra sy ny fifandroritana amin’ny resaka politika dia naneho hatrany ny maha iray ny Malagasy izy ireo. Omaly tolakandro no tonga nampahery ny fianakavian’Itompokovavy Nadine Ramaroson sy ireo mpiara-miasa aminy namoy ny ainy nandritra ny loza an-dranomasina nitranga tao Soanierana Ivongo ny alahady 28 aogositra 2011 teo, izy ireo, izay delegasiona mafonja tokoa, nahitana an’ny Profesora Zafy Albert, Mamy Rakotoarivelo, Ramisandrazana sy ireo mpiara-dia aminy avy. Zava-dehibe amin’ireto Ankolafy ireto tokoa ny fihazonana hatrany ny fihavanana Malagasy raha ity omaly ity no dinihana. Tsy tazana teny an-toerana kosa ny minisitry ny fanajariana ny tany sy ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita nandritra ny tontolo andro hatramin’ny alina na dia fantatra aza fa eto an-toerana avokoa.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT