Actualités

Lanonana ara-panjakana Fifandrifian-javatra ve ny faty olona matetika sa… ?


  • Alatsinainy 12 Septambra 2022

Efa fanamarihana nentina teto hatrany amin’ny novambra 2020, ankoatra ny tany amin’ny raharaha 2009 sy ny tetezamita ny fisiana fahafatesan’olona sy ra mandriaka,

toa nifanandrify tamin’ny hetsika lehibe nataon’ny Fitondrana Rajoelina. Asa na fifandrifian-javatra ihany na misy antony hafa mihitsy? Tamina fotoana telo samihafa nanaovan’ny Fanjakana hetsika sy fety tamin’ireo tanàna sy vohitra masina faha-mpajaka teto Antananarivo, dia nisy faty olona hatrany. Ny takarivan’ny 19 janoary 2019 nanaovan’ny Filoha Rajoelina fihanianana: nihotsaka ny vatobe sy ny tany teny Ampamarinana namoizana ain’olona 10 teo raha kely indrindra. Ny takarivan’ny 26 jona 2019 nisian’ny fampisehoana tetsy Mahamasina taorian’ny lanonana ara-panjakana indray, dia mbola nisy ihany koa ny loza mahatsiravina nahafatesana olona 17 sy naharatrana 70 tany ho any vokatry ny fifanosehana. Nosembanin-drahona iny ihany koa ny lanonam-pitokanana teny Anatirova ny 06 novambra 2020 rehefa nitambotsotra tampoka ary tsy tana ny ain’ny Ampanjaka iray. Ny efa ela ireny, fa ny tato ho ato indray: tsy tena ny Fanjakana no tompon-danonana saingy seriny dia seriny tao anatin’izany, niezaka nanisika ny loko politikany tao anatin’ny Fihaonamben’ny tanora katolika farany teo. Mety fifandrifian-javatra ihany, ary sokajiana hoe tonga ny antson’Andriamanitra, fa dia nisy mpitondra fivavahana nodimandry. Iny indray ny tany Ambilobe ny 09 septambra teo, fa nisy olona maty isan’ireo notaterina tamin’ny kamio handeha hihoby ny Filoham-pirenena nandritra ny fitokanana ny làlam-pirenena RN5A, saingy toa niniana nafenina sy tsy noresahana. Nifanindran-dàlana tamin’io ny loza mahatsiravina nahamaizan’ny tanànan’Ambilo ao Betsiaka Ambilobe,… Ny trangana faty olona mikararana noho ny tsy fandriampahalemana, loza mahatsiravina, tifitra variraraky ny manam-basy,… moa toa mitady ho efa tranga tsy vaovao intsony amin’ny fiaianam-pirenena. Sanatria ny hoe: faly hitanisa loza sy hampahatsiahy faty olona fa mahalasa saina sy mampametra-panontaniana ihany anefa ny zava-misy hoe: fifandrifian-javatra ihany ve ireny sa misy antony sy ambadika sarotra takarina ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT