Actualités

Lanonam-panjakana tao Manakara Tsy tazana hatrany ny Depiote Brunelle


  • Alatsinainy 28 Novambra 2022

Lanonam-panjakana maro sosona no niseho tany Manakara ny sabotsy teo, fotoana nahitana ny Filoham-pirenena niseho vahoaka ampahibemaso indray rehefa tsy hita nandritra ny fotoana naharitra.

Saika tazana tany an-toerana avokoa ny ankamaroan’ireo manampahefana ambony avy any amin’iny faritra Vatovavy Fitovinany iny, nahitana filohana andrim-panjakana, loholona,… Isan’ny fanamarihan’ny rehetra kosa no tsy naha teo ny Filoha Lefitry ny Antenimieram-pirenena Atoa Brunelle Razafitsiandraofa. Matetika no hisian’izany ka mampametra-panontaniana hoe: izy ve no tsy te hanotrona noho ny fanaovana zanak’Ikalahafa an’Ikongo izay nahavoafidy azy sa ny olon’ny fitondrana mihitsy no tsy mahazoazo azy. Tsaroana tsara mantsy, fa isan’ny efa namaly bontana azy ny Filoham-pirenena tamin’ny fanakianany fa tsy ny teleferika no maika raha alahatra ny tokony ho laharam-pahamehana fa ny làlana hampifandray ny distrika rehetra. Niainga tany amin’ny raharaha fizarana ny faritra Vatovavy Fitovinany no toa nailika an-tsisin-tosy ity depiote ity, izay tsy misorona eo anatrehan’ny fahitany zavatra tsy mety eto amin’ny firenena, ka toa tsy hitiavan’ny mpitondra sasany azy. Maromaro moa ireo zavatra notokanana sy nampanantenaina hatao ny faran’ny herinandro teo tao Manakara. Vita ary notokanan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tamin’ny fomba ofisialy omaly alahady 27 novambra 2022 ny tetezana ao Manakarabe. Mirefy 152,40m izy ity, izayy mampifandray an’i Manakara sy Manakarabe. Ny taona 2012 fotoanan’ny tetezamita no nihotsaka sy nirodana vokatry ny fandalovan’ny fiara be diso navesatra loatra ny entana, ary izao vao tafarina. Ankoatra an’ity moa, nisy ny fitokanana fotodrafitrasa hafa sy fametrahana vato fototra, fa isan’ny nampanantenaina ihany koa ny hanohizana ny fanamboarana ny Hopitaly manara-penitra ao Manakara. Io izay natomboka tamin’ny 2012, kanefa tsy vita hatramin’ny farany, hany ka nihasimba am-pitoerana teo. Nampanantena indray i Andry Rajoelina fa dia ho vita amin’ny faran’ny taona ity hopitaly ity. Akaiky ny propagandy, ka miezaka ny mihetsiketsika sy manao fampanantenana hatrany. Napetraka io omaly io ihany koa mantsy ny vato fototry ny fananganana oniversite manara-penitra ao Manakara, izay nambara fa ahitana “Amphithéâtre” iray sy efitrano fianarana maromaro manara-penitra.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT