Actualités

Landry Randriamaro Atahorana ho voaroaka, lamandy 50.000 ariary no saziny


  • Alakamisy 25 Aogositra 2011


 Omaly no nivoaka ny didim-pitsarana mahakasika ny fitorian’ny Tale jeneralin’ny ladoany an’i Landry Randriamaro, mpitarika ny fitokonan’ny mpiasan’ny ladoany etsy Antanimena. Ny antony nitoriana azy noho ny herisetra nataony tao am-piasana, mifandraika indrindra amin’ny fanimbàna fitaovam-piasana izany. Lamandy mitentina 50.000 ariary no saziny noho ny fanimbàna izany antony izany. Tsy afa-po tamin’ity didim-pitsarana nivoaka omaly ity ireo mpiasan’ny ladonany maro tonga teny an-toerana. Ny antony mantsy dia raisin’izy ireo ho fanapenam-bava ny toa izao.

“Tsy azo hadinoina ho ireo mpiasa marobe fa noho ny fitakiana ny marina sy ny mangarahara no antony naha-voarohirohy an’i Landry Randriamaro toa izao” raha araka ny fanazavan’ireo mpiasan’ny ladoany hatrany. Mazava arak’izany fa hampiakatra ny raharaha eo anivon’ny fitsarana ambony ny voakasika. Ankoatr’izay dia mety hiakatra Codis i Landry Randriamaro ka any no tena atahorana be. Satria ny Tale jeneraly no nitory azy kanefa io farany dia isan’ny mpikambana amin’io Codis io. Mety haherihery ny fanapahan-kevitra hivoaka ao ka atahorana arak’izany ny fandroahana an’i Landry Randriamaro. Na izany aza anefa dia nampanantena ireo mpiasan’ny ladoany maro fa hanampy hatrany ny namany dia i Landry Randriamaro izany.

 

Samy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT