Nisy nanafika ireo mpanao gazetin’ny radio Free FM, Lalatiana Rakotondrazafy sy Fidčle Razara Pierre.
Omaly tolakandro manodidina ny tamin’ny telo ora, teny an-dalana hihazo ny foiben-toeran’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly na Bianco eny Ambohibao iny indrindra izy ireo no nitranga ny fanafihana. Niharan’ny tora-bato avy hatrany ny fiara Mercedes 250 Berline nitondra azy ireo niaraka tamin’ny mpisolovava Andry Fiankinana, tao anaty fitohanana miakatra an’Ambohibao mialoha ny hiviliana mihazo ny «Villa la Piscine» misy ny Bianco. Avy any aoriana ny toraka, ary niraraka noho izany ny fitaratra aorian’ilay fiara. Tafiditra tao anaty fiara ilay vatobe nitorahana ilay fiara ary ambivitra no tsy nahavoa ireo olona tao. Niova lalana ka nihazo an’i Ivato Aéroport avy hatrany izy ireo niandry namana noho io fanafihana io, vao namonjy ny Bianco.
Handeha hanatitra ny porofo rehetra mikasika ny fitoriana nataony mikasika ny mpandraharaha iray izay voatonona matetika amin’ny raharaha “bois de rose” ry Lalatiana Rakotondrazafy sy Fidèle Razara Pierre no nitranga ity fanafihana ity. Nanamarika ireo mpanao gazety ireo fa fiara hafa tsy fampiasan’izy ireo no nandehanana tamin’io. Niahiahy, araka izany, izy ireo fa nisy nanamarika na nanaraka avy eny Ankorondrano toerana niaingana nialoha ny nihazoana an’Ambohibao ry zareo.
Misy ifandraisany amin’ny fitoriana nataon’ireto mpanao gazety ireto any amin’ny Bianco àry ve ity tranga ity sa zavatra hafa mihitsy ? Raha ny filazan’i Fidèle Razara Pierre mantsy dia nisy antso tamina onjampeo tsy miankina iray eto an-drenivohitra ny sabotsy 5 mey teo, nilaza fa “rehefa tsy hangina ianareo dia hamboarinay”. Hametraka fitoriana mikasika io raharaha io moa izy mianadahy ireto, ka dia ho hita eo ny tohiny.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.