Actualités

Lalatiana Rakotondrazafy Hatao Minisitry ny raharaham-bahiny?


  • Alarobia 09 Novambra 2022

Hafa tsy tahaka ny fahita hatramin’izay sy karazana fenitra iraisam-pirenena ny endriky ny delegasionina Malagasy miatrika fihaonana goavana iraisam-pirenena.

Tsikaritra ho tsy hita taratra na tsy tazana firy tao anatin’ny delegasionina niara-dia tamin’ny Filoham-pirenena ny Minisitry ny raharaham-bahiny izay Lehiben’ny Diplaomasia Malagasy. Hita taratra izany tany Autriche ny volana aogositra lasa teo nivoahan’ilay hoe: tompondakan’ny fampiroboroboana ny indostria isika, izay ny Minisitry ny seraserasa sy ny kolontsaina Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy no isan’ny niara-dia tamin’ny Filoha. Nandeha ihany koa ny fivoriambe faha-77 teo anivon’ny Firenena Mikambana ny septambra teo, ka ny Minisitry serasera sy ny kolontsaina hatrany no tazana an-tsary teo anilan’ny Filoha, ankoatra ireo delegasionina hafa tahaka ny Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika. Marina fa nitarika ny delegasionina tany amin’ny fahafatesan’ny Mpanjaka Elisabeth ny Minisitry ny raharaham-bahiny tamin’izany, saingy lojika ny tokony ho fanatrehany, saingy tsy hita an-tsary firy na nisy aza ny tsilian-tsofina fa toa nakany Etazonia ihany. Io indray ny fiatrehana ny COP27 atsy Egypte, tsy isan’ireo delegasionina ny Minisitry ny raharaham-bahiny mpisolo toerana, raha toa ka eo hatrany ny Minisitry ny serasera. Ankoatra azy dia ny Minisitry ny tontolo iainana sy ny Minisitry ny fambolena, raha toa ka tsy tao ny Minisitry ny rano sy ny Minisitry ny famatarana ny toetr’andro, kanefa resaka fiovaovan’ny toetr’andro no resaka. Matetika ary fahita sy mipetraka ho arofenitra maneran-tany ihany koa, fa amin’ny fifanarahana lehibe ara-diplaomatika na ara-pamatsiam-bola, dia ny Minisitry ny raharaham-bahiny na ny Minisitry ny toekarena sy ny vola no manasonia izany, saingy toa tsy izay ny an’I Madagasikara. Raha mandray ohatra iray, nihaona tamin’ny ny Minisitry ny raharaham-bahiny sy ny fiaraha-miasa iraisam-pirenen'ny Émirats Arabes Unis, Sheikh Shakhboot bin Nahyan Al Nahyan ny Filoha Rajoelina afak’omaly, fa tsy hoe: nihaona tamin’ny Minisitry ny serasera. AmMIN4NY arofenitra sy ny laharana ao anatin’ny governemanta rahateo, dia anisan’ireo Minisitera mariky ny fiandrianam-pirenena ny raharaham-bahiny, ny toekarena sy ny vola.
HANAO DIPLAOMASIA SA HANAO SERASERA ?
Niova ve ny arofenitry ny governemanta Malagasy ka mipetraka ho any amin’ny laharana ambony ny Minisiteran’ny serasera? Sa kosa ny Minisitry ny serasera sy kolontsaina ankehitriny no mety hotendrena ho Minisitry ny raharaham-bahiny ka efa manao fizaran-draharaha matoa lolaharana hatrany amin’ny dian’ny Filoha makany ivelany? Sa kosa mety tsy dia ny resaka diplaomasia sy ny fifandraisana iraisam-pirenena loatra no laharam-pahamehana fa ny serasera? Raha ny sary miseho ankehitriny, toa tsy dia maharototra firy ny Fanjakana Rajoelina ny tontolon’ny diplaomasia sy ny fiaraha-miombon’antoka iraisam-pirenena, raha tarafina amin’ny zava-misy. Porofo mivaingana io raharaha Minisiteran’ny raharaham-bahiny io, fa tsy havanana amin’ny diplaomasia ary mirona kokoa amin’ny resaka serasera ny Fanjakana Rajoelina. Tsy tokony hisy fahabangana maharitra sy mpisolo tena maharitra amin’ny maha stratejika be azy, saingy toa tsy mahataitra ny Fanjakana firy intsony.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT