Actualités

Lalao Ravalomanana Terena handeha «Jet privé» irery, fa nahoana ?


  • Alarobia 06 Martsa 2013

Manomboka misarika ny sain’ny mpanara-baovao indray izao ny manodidina ny fodian-dRamatoa Lalao Ravalomanana eto Madagasikara mba hahafahany mitsabo an-dreniny.

 Efa tamin’ny alakamisy na ny zoma lasa teo izy no tokony ho nigadona teto Antananarivo, saingy tsy mety tonga hatramin’izao. Tsy izy no tsy te handeha fa fanakanana amin’ny endrika hafa kely no natao, ary filam-baniny no naseho. Tsy manaiky ny fitondrana tetezamita fa hoe tsy maintsy mandeha fiaramanidina manokana, hono, ity vadin’ny filoha teo aloha ity raha ho avy eto Madagasikara fa tsy mahazo mandeha ny fiaramanidina mpitondra olona mahazatra na ny «vol commercial». Ary dia efa nisy ny taratasy nalefa any amin’ny Airlink, kaompania fitaterana anabakabaka mampitohy an’i Johannesbourg (Afrika Atsimo) sy Antananarivo (Madagasikara) mba tsy hampiditra an-dRamatoa Lalao Ravalomanana ao anaty fiaramanidina mihitsy. Misy tarehin-javatra roa somary mahagaga avy hatrany. Raha nanaiky ny hiavian’ny vadin’ny filoha teo aloha eto Madagasikara ihany, i Andry Rajoelina, dia nahoana no niandry roa herinandro ?


Ary nahoana no terena tsy maintsy handeha fiaramanidina manokana Rtoa Lalao Ravalomanana fa tsy avela handeha ny fiaramanidina mahazatra ny olon-drehetra ? Fa inona moa ny zavatra miova raha toa ka mandeha fiaramanidina mitokana, na miaraka amin’ny besinimaro izy ? Azo antoka anefa fa misy antony ny fanapahan-kevitry ny fiadidiana ny tetezamita, fa tsy hoe tian’izy ireo handeha “Jet privé” fotsiny Rtoa Lalao Ravalomanana. Iza no miholankolana sy tsy mitsotra ny tena marina, i Lalao Ravalomanana maika hitsabo an-dreniny ve, ary efa niomana amin’ny tapakila mandroso miverina, efa fantatra fa ny 31 martsa izy no hiala eto Madagasikara indray ka hihazo an’i Afrika Atsimo indray sa i Andry Rajoelina mody manaiky am-bava, kanefa toa mametraka izao karazana fepetra hafahafa rehetra izao, mba hanasarotana hatrany ny fahatongavan’ilay olona ? Fa inona marina no ao ambadik’ilay hoe terena handeha fiaramanidina manokana Rtoa Lalao Ravalomanana ? Raha ny tsiliantsofina re dia teren’ny fitondrana tetezamita handoa ny vola rehetra lany amin’izany ny fianakaviana Ravalomanana.

Ny ahiahy tsy hihavanana, hoy ny Malagasy izay ka aleo atao mazava tsara ny resaka fa tsy atao mihodinkodina be. Moa va tena misy antony manokana mahatonga ny fiadidiana ny tetezamita hanery an’i Lalao Ravalomanana handeha “Jet privé”, irery, sa misy ambadika izany ? Maro no mihevitra fa tena matahotra ny fahatongavan’i Lalao Ravalomanana eto Madagasikara ry Andry Rajoelina sy ny ekipany satria mety hanokatra ny masom-panahin’ny olona sy hampiredareda indray ny tolona izany, ka mety hanova zavatra maro. Dia atao daholo izay antsojay azo atao rehetra mba hanakiviana azy tsy ho avy eto. Ny fanaovana izany anefa dia toa vao miha mampitombo ny fitiavan’ny olona azy, no sady mampitombo koa ny fankahalan’ny olona ny fomban’ny FAT.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT