Actualités

Lalao Ravalomanana “Ny fiaraha-miasa no hampandroso ny Firenentsika”


  • Alatsinainy 31 Mey 2010


 

Arahaba tratry ny Fetin’ny Reny,
 
 
 
Ny Fankalazana ny Fetin’ny Reny ho antsika Malagasy anio, dia natao anamafisana indray fa ny famonjena antsika dia avy amin’i Jehovah, Mpanao ny Lanitra sy ny Tany (Salamo 121: 2). Ary dia isaorana anie, Andriamanitra Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, izay antoky ny filaminana sy ny fiadanana, fototry ny fifankatiavana sy ny firaisan-kina.
 
Koa androany Alahady 30 mey 2010, hankalazantsika ny Fetin’ny Reny izao ary, dia raisiko ho fifaliana sy voninahitra ny miarahaba ny Reny malagasy rehetra tsy an-kanavaka, nahatratra ity andro anio ity. Ny reny malagasy rehetra, hoy aho, izany hoe ny vehivavy malagasy rehetra, ny reny amin’izao fotoana izao, sy ireo izay mbola ho reny rahatrizay, satria isika no loharano nipoiran’ity firenena malalantsika ity, dia ny Firenena malagasy, ary mbola hipoiran’ireo taranaka fara-mandimby amin’ny ho avy. Isika ilay voalaza fa “kitapo nifonosana”.
 
Mandia fotoan-tsarotra tokoa mantsy ny firenentsika amin’izao fotoana izao. Noho izany, dia vao mainka koa mitombo sy miha sarotra ny fanatanterahana ny adidy sy andraikitra sahanintsika reny tsirairay avy, na any ambanivohitra na an-tanan-dehibe. Sady miadidy ny fanolokoloana sy ny fanabeazana ny ankohonana sy ny taranaka ho tonga olom-banona, tia tanindrazana sy liam-pandrosoana isika, amin’izao andron’ny tsy fisiana sy ny korontana, ary ny tebiteby lava izao, no tsy maintsy mirotsaka an-tsehatra mivantana koa, eo amin’ny asa aman-draharaha, na an-tsaha na an-tanana, iadiana amin’ny fahantràna sy ny fahasahiranana maro isan-karazany, mianjady amin’ny isa-tokantrano.
 
An-tapitrisany ankehitriny ny fianakaviana zara raha manan-ko hanina, satria tsy misy vola miditra ao an-tokantrano fa very asa ny ray, very asa ny reny. Mihamaro an’isa hatrany ireo reny sy vehivavy, izay mizaka ny tsy eran’ny aina amin’ny famelomana sy ny fanabeazana ny ankizy. Ary ao koa ireo izay, iharan’ny herisetra, na ampidirina am-ponja sy gadraina noho ny tsy fitovizan-kevitra ara-politika. Ary ny tena mahavaky fo, sy faran’ny mangidy indrindra amin’ny maha-reny eo amin’ny fiainana, dia ny mamoy ny menaky ny aina. Tsy misy mamy toy ny zanaka mantsy, araka ny soatoavina malagasy, satria izy ireny no “rantsana vaovao” ary “kintana andrandraina eo anivon’ny fianakaviana tsirairay sy ny firenena.  
 
Ny fitanisàna fohy dia fohy ireo zava-misy ireo, dia entina hanasongadinana ny tena maha-izy azy ny Reny malagasy, indrindra amin’izao fotoan-tsarotra diavintsika izao.  
 
Iaraha-mahalala tokoa mantsy fa raha milamina ny ao an-tokantrano, dia ny Reny no tena manana anjara lehibe amin’izany. Matoky ny fitiavany, ny fahafoizan-tenany, ny fahaiza manaony eo amin’ny fandaminanana amin’ny antsipiriany, ny fahitàny vaha-olana hatrany raha misy manahirana, ny fijoroany sy ny faharetany manoloana ny vato misakana sy ny sedra eo amin’ny fiainana… “Mandry ivohon’ny vato” hoy ny fitenenana, “fa manana an’i Neny”
 
 
 
Tsy dia mila asian-teny lava intsony ny momba ny herin’ny fitiavan’ny Reny. Fa ny tena maha-zava-dehibe azy, dia io no fototry ny fifankatiavan’ny iray tampo sy ny ankohonana, ny firaisan-kina sy ny fifanohanana, na an-kafaliana izany, na an-karatsiana, eo amin’ny mpiray tanàna sy ny mpiara-monina. Hoy ny mpanoratra fanta-daza raha maneho io fitiavan’ny reny io hoe:
 
 
Baiko iray mangotraka
Manapaka ny ainy,
Ka tsy mahatrotraka
ny fony sy ny sainy!
 
Baiko sarobidy
mandranitra ny tavany;
Felan’anjavidy
Mandoro ny fitiavany
 
Ao ireo toetra manavaka ny reny voalaza teo aloha ireo, izay ahitàna avy hatrany fa ny Reny no tena iankinan’ny ankohonana sy ny firenena, eo amin’ny fiarovana ny hasin’ny maha-olona sy ny fahamendrehana. Ny toetra mendriky ny Reny no modely, tsara ha alain-tahaky ny taranaka amam-para, toetra mendrika, fototry ny Firenena vanona.  
 
Koa sady mamerina ny fiarahabàna eram-po eran-tsaina ho antsika reny izahay, no misaotra sy mankahery, ary mitso-drano ahaleo ahalasana, eo anatrehan’ny adidy sy andraikitra mavesatra, sady sarotra iantsorohantsika. Fa mampahatsiaro ny rehetra koa, indrindra ny ray sy ny lehilahy tsy an-kanavaka, fa tsy maintsy ao anatin’ny fifanohanana sy ny fiaraha-miasan’ny reny sy ny ray, ary ny vavy sy ny lahy, no tena ahafahana mampandroso ny ankohonana sy ny Firenentsika.
 
Eto am-pamaranana ary, dia mindrana ny tenin’ny Raim-pianakaviana sady mpanakanto iray izahay, hanamafy ny voalaza rehetra teo, momba ny reny manao hoe:
 
Taratro avy taminy ny volam-penomanana
Fotsy mangoratsaka mangalatra johary…
Fa ny fon’Ineny, hiram-piadanana
Miraratra Fanahy tandindon-Janahary
 
Ineny sy ny endriny? Tsy manana sahala
satria voahangy raraka soavin’ny fotoana
manahaka ny hakanton’ny rakitra malala!
 
Kitapo nifonosana nitondra folo volana
Izany Neny izany!...Ilay akaiky indrindra
amin’ny olon-tiako hitantaràna ny olana,
fa maso mibaliakan’ny fiainana mirindra…
 
 
Oharina amin’ny inona ny hanitra ananany?
Fa voninkazo izy ombieny ombieny ombieny…
Tsy misy ahavelomany afatsy ho an’ny zanany,
Dia zava-kanto masina milahatra amin’ny Teny!
 
 
Ny hafatra sarobidy tiako ampitaina androany dia hoy ny fitenin-drazantsika hoe: “Ny Fanahy no maha olona”. Koa ny tso-drano ho antsika Reny, dia ho feno ny Fanahy Masina:
 
“Ny Fanahin’ny Fahendrena sy ny Fahazavan-tsaina,
 Ny Fanahin’ny Fanolorantsaina sy ny Faherezana,
 Ny Fanahin’ny Fahalalana sy ny Fahatahorana an’i Jehovah”. (Isaia 11:2)
Homba antsika mandrakariva anie Andriamanitra!
 
 
Lalao RAVALOMANANA

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT