Resabe an-gazety sy amin’ny haino aman-jery ny fanotofana tany nataona mpandraharaha vahiny iray eny amin’ny “Marais Masay”. Mifamahofaho be ihany ny resaka manodidina azy ity.
Teo am-boalohany dia voalaza fa hanorenana fotodrafitrasa tafiditra amin’ny fandraisana ny Frankôfonia ilay tany totofana. Mitsipaka izany ny mpandrindra ankapoben’ny fanomanana ny fampiantranoan’i Madagasikara ny Frankôfonia, fa tsy misy an’izany tetikasa izany ao amin’izy ireo. Niantefa tany amin’ny Kaominina ny resaka. Nitondra fanazavana ny tao fa fahazoan-dalana efa taloha no eny am-pelatanan’ilay mpandraharaha, ka manaja ny fitohizan-draharaham-panjakana fotsiny ihany ny Kaominina. Mitsipaka marin-drano izany anefa ny minisitera eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika misahana ny fampanantenan’ny filoha sy ny fanajariana ny tany ary ny fampitaovana, tamin’ny alalan’ny minisitra Narson Rafidimanana, ary nanakiana ny teknisianin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ho tsy mitsinjo ny tombontsoam-bahoaka satria mety hitera-doza amin’ny mponina manodidina amin’ny fiakaran’ny rano, ny fanotofana io toerana io. Manoloana io resaka fanotofana tany eto an-drenivohitra io sy ny hafa toy ny asa fanorenana na fitantanana fotodrafitrasa goavana izay matetika mampifanitsaka ny tandrifin’andraikitry ny Kaominina sy ny minisitera, dia re izao fa hisy tsy ho ela ny fihaonan’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana sy ny minisitra Narson Rafidimanana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.