Tsy nanadino ny niarahaba ny reny malagasy i Lalao Ravalomanana na dia any an-tany lavitra aza.
Tsapany avy hatrany ny manjo ireo vehivavy Malagasy manoloana an’izao krizy efa ho roa taona mahery izao no nihatra teto amin’ny firenena. Izay no nankasitrahany ny herim-po sy ny faharetan’ny reny izay mpiray tanindrazana aminy. “…Miharihary loatra ny herim-po asehon’ny reny sy ny vehivavy malagasy tsy an-kanavaka, na antitra na tanora, na an-tanàn-dehibe na any ambanivohitra, manerana ny faritra 22, miezaka hatrany mampandeha ny fiainana andavanandro sy ny fiainan-pirenena na dia iharan’ny mafy indrindra aza amin’izao krizy izao”, araka ny ampahan’ny kabariny.
“Ao anatin’ny tsy fisiana sy korontana ary tebiteby lava ny vahoaka amin’izao fotoana izao. Maro ny tsy an’asa, zara raha misy vola amidy sakafo sy iantohana ny ankizy ho any an-tsekoly, ao ny mandry fotsy na tsy mihinana raha tsy indray mandeha isan’andro ary mihamaro hatrany ny isan’ny zaza maty vokatry ny tsy fahampian-tsakafo sy ny hanoanana. Manoloana izany dia vao mainka mirotsaka an-tsehatra ny reny eo amin’ny asa aman-draharaha, na an-tsaha na an-tanàna, iadiana amin’izany fahasahiranana izany” raha araka ny fanehoan-keviny hatrany. Hitany sy tsapany ihany koa fa “mitombo hatrany koa ny isan’ny tokantrano rava vokatry ny tsy fisian’ny vola miditra, eo ihany koa ny fisarahambazana, faharavan’ny fifankatiavana sy ny fihavanana eo amin’ny mpivady, ny mpiray tampo, ny zanaka sy ny ray aman-dreny vokatry tsy fitovizan-kevitra ara-politika eo amin’ny Firenena. Mihamaro isa, araka izany koa ireo reny sy tovovavy izay mizaka irery ny famelomana sy ny fanabeazana ny ankizy, miezaka mikolokolo sy manabe ny ankohonana sy ireo taranaka mba ho olom-banona, ary mitandro hatrany ny fifankatiavana sy ny fihavanana izay anisan’ny fototra lehibe iorenan’ny soatoavina malagasy”.
Tsy nitsahatra ny nankahery ireo reny malagasy ny vadin’ny filoha manoloana ny zava-misy ankehitriny. “Sarotra sady mila herim-po sy faharetana ny fahitana vahaolana eo amin’ny fiainan’ny reny tsirairay avy ankehitriny noho ny toe-javatra manahirana eo amin’ny fiainam-pirenena. Mihasarotra sy mihamitombo ny andraikiny; mpamelona ny tokantrano sy ny ankohonana, mpanabe sy mpanolokolo, mpampiray sy mpampihavana, indrindra ao anatin’izao fotoan-tsarotra izao; mpitady vahaolana eo no ho eo manoloana ny fiainana andavanandro, ary mpitady vahaolana maharitra mba isian’ny fivoaram-piainana sy fivoaran’ny toe-tsaina eo amin’ny rehetra ka ahafahan’ny firenena miroso ho amin’ny filaminana sy ny fampandrosoana maharitra amin’izay. Izany sy izany ankehitriny no andraikitra efa sahanin’ny reny malagasy sady takiana aminy rahateo. Ary miorina amin’izany rehetra izany ny Hasina na ny fahamendrehana ekena fa ananany” raha ny fanazavany hatrany. Nindraminy ny tonokalon’i Rado izay mitondra ny lohateny “Tsy kivy” mba entina namarana ny kabariny. Manazava ny toy izao fa tsy manadino ny eto an-tanindrazana velively ny vadin’ny filoha ary miombo-po hatrany amin’ny reny malagasy…
r.d
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.