Mizotra araka ny tokony ho izy ilay lalao Quizz Ikoizana handraisan’ireo ankizy madinika Malagasy anjara.
Taorian’ny fifaninanana an-tsoratra in-droa miantoana nampanaovina ireo mpandray anjara miisa 40 niarahana tamin’ny Alliance Française etsy Andavamamba mantsy dia niroso tamin’ny dingana famaranana ho an’ny isam-paritra ny delegasiona mikarakara ny fandraisana ny andiany faha-16 amin’ny fihaonambe an-tampon’ireo tany mampiasa ny teny frantsay ny sabotsy teo, notohanan’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Ny taranja frantsay, ny tantara, ny jeografia ary ny kolontsaina frantsay no nanadinana azy ireo nandraisan’ireo Alliance Française miisa fito manerana ny Nosy anjara. Nizara ho ekipa miisa 20 izy io ary naharitra 15 minitra ny laza adina. Ho an’ny adina am-bava manokana dia Randriamalala Njiva Nirina Georges mpianatry ny CEG Analamahitsy sy Andrianasolo Malala Tyanah mpianatry ny sekoly Anne Marie Javouhey Isotry no hisolotena an’Antananarivo ho an’ny dingana famaranana nasionaly. Ny 27 Aogositra ho avy izao no hanatanterahana izany eto an-drenivohitra.
Patty
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.