Actualités

Lalao afrikanina sokajy zandriny Fantatra ireo Makis U18 ho any Botsoana


  • Alakamisy 10 Aprily 2014

Navoakan’ny ekipa teknikan’ny Federasiona malagasin’ny rugby omaly ny lisitr’ireo mpilalao 12 handrafitra ny ekipa Malagasy hiatrika ny Lalao afrikanina andiany faha-2 hatao any Gaborone Botsoana ny 22-31 mey izao.

 Herinandro mahery taorian’ny lalao fitsapana sy fifantenana natao teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka dia voafantina ireo Makis sokajy U18 miisa 12 hihazo an’i Gaborone. Mpilalao 39 moa raha tsiahivina no efa nanaraka ny fampivondronana nahitana ireo 14 vao nofantenana farany teo sy ireo mpilalao 25 efa niatrika ilay fiadiana ny amboaran’ny ranomasimbe indiana volana vitsy lasa. Sambany isika hiatrika ity fifaninanana kaontinantaly ity izay hamoahana ny ekipa afrikanina hiatrika ny Lalao olimpikan’ny tanora hatao any Nanjing Chine amin’ny volana aogositra.

Ireo mpilalao :
1-Rafanomezanjanahary Maminirina Fabrice
2-Randriantiana Solo Pierre Nantenaina
3-Rabenarivo Francklin Borgia
4-Rasoanaivo Xavier Ny Onja Lalaina
5-Toky Falimanana Robinson Jean
6-Rakotoarimalala Toky Arthur
7-Rafanomezanjanahary Sylvetre
8-Hery Ginot
9-Ialiarisoa Faniry Lovatiana
10-Randriantiana Fabien
11-Ratsiazonarivo Ezra
12-Hajaniaina Omaric

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT