Mbola resabe amin’izao fotoana izao ny mahakasika ilay lalŕnan’ny serasera izay efa nolanian’ny Antenimierandoholona sy ny Antenimierampirenena.
Niteraka tsy fitovian-kevitra lehibe teo amin’ny fanjakana sy ny mpanao gazety ity toe-javatra ity. Samy niziriziry tamin’ny heviny ny roa tonta tany am-boalohany. Raha ny fahitana azy ankehitriny anefa dia mety hiafara amin’ny fifanatonana ity tantara ity. Efa halohalika ny ranombary ka niangavy tamin’ny filoha ny mba hampiatoana ny fampiharana ity lalàna ity tamin’ny alalan’ny fandefasana taratasy ny mpanao gazety. Mafampana ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao ka tsy maintsy hitady hevitra hampitoniana an’izany ny mpitondra. Talohan’ny fitsidihana nataony tany Maorisy dia efa nanipy teny ny mba hisian’ny fifampiresahana Ingahy Rajaonarimampianina. Toa midika izany fa mety hiverin-dalana amin’ny fanapahan-kevitra efa noraisiny ny fanjakana. Iaraha-mahita eo ny ho tohin’ny tantara fa ny irariana dia ny mba hivahan’ny olana maro lafy misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao fa tsy ny olan’ny serasera ihany.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.