Tanteraka ny fanirian’ny fitondram-panjakana fa dia lany ihany teny amin’ny antenimieram-pirenena ilay lalŕna momba ny fifandraisana. Solombavambahoaka 21 no nivory tao anaty efitrano fivoriana omaly hariva nandritra ny fifidianana
, nanao eny ary nandany ilay lalàna ny 18, nitsipaka ary nanao tsia kosa ny 3. Asa izay nitranga fa na dia nisy aza ny asam-baomiera nataon’ireo depiote ka nitondrana fanitsiana maromaro dia niverina tamin’ilay endrika nolanian’ny loholona efa nahabe resaka ihany ny lalànan’ny fifandraisana nolaniana omaly teny Tsimbazaza io. Ny nahavalalanina dia ny hoe depiote 21 amin’ny 151 ve no niatrika ilay fifidianana ? Fa lasa aiza daholo izany ny depiote 130 ambiny ? Lalàna goavambe iankinan’ny fiainam-pirenena tahaka izao ve dia laniana ao anatina kitoatoa sy fahamaikana ? Andrasana izay fanapahan-kevitry ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana amin’ity lalàna niteraka resabe ity noho ny amboletra nataon’ny fitondram-panjakana tamin’ny fandaniana azy.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.