Actualités

Lalana Tsarasaotra-Ivato Mety havily lalana indray


  • Talata 31 Mey 2016

Taorian’ny fitarainan’ireo fianakaviana voatondro fa horavana trano noho ny fanamboarana ny lalana vaovao mampitohy an’i Tsarasaotra amin’i Ivato, dia fantatra izao fa misy ny fandinihana ny hanovana ny soritra hisian’ny lalana.

Ny antony dia mba tsy hisian’ny trano maro harodana. Hatreto dia miisa 32 eo ireo trano harodana. Aorian’io soritra vaovao io dia mety ho 7 sisa izany. Misy ny fifanatonana eo amin’ny minisitera eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny fanatanterahana ny tetikasan’ny filoha, ny fanajariana ny tany ary ny fampitaovana sy ireo fianakaviana voakasiky ny fandravana trano. Raha kely indrindra dia in’efatra nasiam-panovana izao ny soritr’ity lalana an-dalam-panamboarana ity. Matetika no nisy fihetsiketsehana narahina filanjana sorabaventy mba hamiliana soritra ny lalana nataon’ireo fianakaviana voakasiky ny fandravana trano noho ity tetikasa ity. Nisy nihaino izany, ary dia tonga amin’izao fifampidinihana izao.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT