Niveri-maina ireo fiarabe mpaka ranontany tonga tao Ambohidava, Kaominina Imerimandroso ny alatsinainy 11 jolay.
Nosakanan’ny fokonolona ny fakana ny taniny fa tsy manaja ny fifanarahana. Nisy tambiny ara-bola ny fakana ny ranontany amina havoana teny an-toerana, enti-manamboatra ilay lala-migodana mampitohy an’i Tsarasaotra sy Ivato, tafiditra amin’ireo tetikasa handraisana ny fihaonana an-tampon’ny Frankôfônia. Hatramin’izao, tsy arotsaky ny Fanjakana ny vola, hoy ny fokonolona eny an-toerana, ka dia ny fanakanana ny fivoahan’ny ranontany avy eny amin’izy ireo no nataony. Nitohy omaly ny fanakanana io, mandra-pivahan’ny olana. Hagagana ny an’ny mponina eny amin’iny faritra iny, amin’ny tsy fandoavana ny vola, nefa mipoapoaka be ny tonom-bola ambaran’ny fanjakana hatrany amin’ny 25 miliara Ariary hanamboarana iny lalana iny.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.