Nipoitra kely rehefa nisy ny fampanenona lakolosy nataon’ny firaisamonim-pirenena ny taona 2020 sy 2021, ary tsy hita intsony indray ny adihevitra momba ilay “loi sur l’accès à l’information”.
Efa ho 16 taona anefa izao no noketrehina izy io, hoy ny mpampahatsiahy. Ny taona 2021, nanao tsindry mafy ny firaisamonim-pirenena tamin’ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny antenimiera saingy tsy tafavoaka. Misy ny resaka re etsy andaniny, fa efa vonona any amin’ny governemanta ny rijan-teny rehetra momba io lalàna io. Inona no mbola tsy hahatongavany eny Tsimbazaza? Fanao amina tany demokratika io fa tsy zava-baovao, manan-jo hahazo vaovao sy hahafantatra ny zava-misy amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana ny olom-pirenena, izany hoe ny lalàna no mametraka hoe hatraiza. Zon’ny olom-pirenena ny mahalala ny antsipirihany momba ny fitantanan-draharaham-panjakana ankoatra ny hoe: tsiambaratelom-panjakana saropady. Ohatra iray akaiky kely hoe: mba firy amin’ny olom-pirenena no mahalala ny karaman’ny olom-boafidy, ny minisitra, ny anton’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fanjakana. Tsy tokony ho olana ny mametraka io lalàna momba ny fahalalahana hahazo vaovao io, raha tena misy tokoa ny fanjakana tsara tantana na “bonne gouvernance”, ary lalana mankany amin’izany sy manamafy ny ady amin’ny kolikoly io, raha tena misy ny finiavana. Firifiry ireo raharaha kolikoly avo lenta tsy ahazoana loharanom-baovao sy fanazavana ny fivoarany fa iniana hampaginina any? Ny mpampaneno lakolosy aza no gadraina? Tsy atao mahagaga raha zara raha 25/100 ny naotintsika amin’ny ady amin’ny kolikoly, ary faha-149 amin’ny firenena 180. Manomboka manaitra ny rehetra indray, indrindra fa ny governemanta ny avy amin’ny firaisamonim-pirenena mba handefa eny amin’ny parlemanta ny volavolan-dalàna momba ity resaka iray ity; mazava ho azy fa arahana famelabelaran-kevitra sy adihevitra izany ; tahaka ny rijan-teny rehetra mety hisy ihany koa ny fanitsiana na fanovana. Andrasana izay mety ho fihetsiky ny governemanta momba ny “loi sur l’accès à l’information” amin’izao fivoriana ara-potoan’ny parlemanta izao.
(sary fanehoana)
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.