Actualités

Lalŕna mifehy ny serasera Mitohy ny fitaka bevava ataon’ny mpitondra


  • Alarobia 27 Jolay 2016

Vao nanomboka ity resaka lalŕn’ny serasera ity dia efa nisy ny amboletra tamin’ny fandaniana azy tetsy amin’ny Antenimierandoholona izay lany 100% tamin’ny alalan’ny loholona miisa 46 tonga nivory.

 

 Solombavambahoaka 80 nanaiky ny fandaniana ny lalànan'ny serasera, 1 kosa no nitsipaka izany ny alin’ny 7 jolay 2016 rehefa nampandalovina teny tsimbazaza. Tsy nankasitraka sy  nanao fihetsiketsehana ny mpanao gazety ny 12 jolay 2016 ka may ny endim-boanjon’’ny mpitondra ary nampiantso mpanao gazety hiaraka hidinika amin’ny loholona tamin’ny famerenana ny fandinihana izany rehefa hita fa ho sarotra ny raharaha. Nofitahina indray anefa ny mpanao gazety ka nolaniana amboletra indray ny lalàna, loholona 41 amin’ireo 63 no nandany izany. Mody novan’ny loholona ny andininy roa amin’ireo 10 nasian’ny depiote fanitsiana ary rehefa naverina fanindroany teny anivon’ny Antenimieram-pirenena dia lany indray. Nitohy tamin’ny fidinana tany Soamahamanina ny hetsiky ny mpanao gazety saingy niantso fifampiresahan ny mpitondra ka dia nitonitony ny raharaha. Nandefa taratasy tany amin’ny Filohampirenena ihany koa ny mpanao gazety tetsy an-daniny ary nanantena fa hisy ny fifampiresahana saingy lasa antso an’efitra izany. Rehefa hitan’ny mpitondra fa tonitony ny raharaha dia nodiany tsy hita. Voafitaka indray ny mpanao gazety satria tsy nisy setriny ny fangatahana raha nanantena fa hahazo valiny avy amin’ny mpitondra. Mitohy indray ny fampiesonana ary tsy atao mahagaga intsony ny fitaka sy ny fampanantenana poakaty eto amin’ny firenena. Andrasana ny ho tohin’ny tantara fa ny hita aloha dia tsy misy hasiny amin’ny mpitondra ny zon’ny olom-pirenena hahazo vaovao ka izay no mahatonga izao paikady hifehezana ny serasera sy ny asa fanaovan-gazety izao.


                                                                                              Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT