Actualités

Lalŕna mifehy ny asa fanaovan-gazety Nihemotra indray ny fanjakana ?


  • Alarobia 01 Jona 2016

Iray volana nivoriana izao ny Antenimiera roa tonta, tsy mbola manarangarana eny Tsimbazaza sy Anosikely ny lalŕna vaovao hifehy ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara.

Efa hatramin’ny taon-dasa anefa no nataon’izao fitondrana izao angoatenda ny handrosoana an’io lalàna io eny amin’ny Antenimiera. Mbola anisan’ny lahadinika tamin’ny filankevitry ny minisitra voalohany nandraisan’i Solonandrasana Mahafaly Olivier anjara, taorian’ny nanendrena azy ho praiminisitra ihany koa ny handefasana an’io volavolan-dalàna hifehy ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara io amin’izao fotoam-pivoriana ara-potoana voalohan’ny Parlemanta izao, saingy toa volan-kakafotra izy ity, ny omaly tsy miova fa vao mainka nanao sambo nilentika. Misy loharanom-baovao akaiky ny fitondrana aza milaza fa nihemotra indray ny fanjakana, manoloana ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena amin’izao fotoana isian’ny resaka fikasana hanongam-panjakana. Mbola te hanagadra mpanao gazety sa hanakatona haino aman-jery ? Toa mamofompofona izany rahateo ny fikasan’izao fitondrana izao, hanakatona ny M3FM sy Viva Radio, izay mahabe resaka ao Mahajanga amin’izao fotoana.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT