Actualités

Lalŕna manara-penitra


  • Alarobia 20 Jolay 2016

Miteraka adihevitra be sy fifandirana matetika ny fampiharana ny lalŕna eto Madagasikara. Lasa tsy maintsy misy fifampiraharahana foana ikarohana ny marimaritra iraisana.


 Raha ny tokony ho izy anefa, rehefa izay ny lalàna dia izay fa tsy misy adihevita azo atao. Ny Malagasy mihitsy ve no sarotra fehezina sa tsy mifanaraka amin’ny zava-misy ireo lalàna voarafitra sy misy eto ? Sa mahita ny hadalana ataon’ny mpitondra sy mpitantana ny olom-pirenena dia tsy manaiky fehezina ihany koa ? Io tsy fampiharana araka ny tena izy ny lalàna io anefa no miteraka ilay kolikoly sy tsolotra fa mody saronana amin’ny marimaritra iraisana na fifampitsinjovana na fifanampiana na fifanohanana. Ny tena loza dia lasa miroborobo ny fitsaram-bahoaka toy ny fidarohana sy famonoan’olona imasoimaso satria ambara fa tsy azo itokisana ny fitsarana. Ohatra azo raisina izao ny resaka taksibe eto Antananarivo Renivohitra, fimenomenomana sy fitokonana avy hatrany no setrin’ny fampiharana ny lalàna sy fampanajana ilay bokin’andraikitra na ihany koa fanenjanana ny “visite technique” dia mivoaka eo ny resaka hoe ny madinika foana ve no vaporitra. Io arahamaso dia mitokona io koa ny Taxi-ville. Fotoana angamba izao handinihana lalina ny resaka fandrafetana lalàna sy ny fampiharana azy eto Madagasikara, ary ny olom-pirenena ihany koa dia mila samy tonga saina fa tsy misy fiarahamonina milamina sy mandroso izany mihitsy raha tsy misy lalàna sy fepetra mazava hitantanana azy. Tsy lalàna nalain-tahaka avy amin’ny an’ny vahiny no ampiharina fa lalàna mifandraika amin’ny fomba sy ny kolotsaina ary ny zava-misy eto e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT