Actualités

Lalana Ivato –Antananarivo Tsy mbola fantatry ny Ministeran’ny asa vaventy akory


  • Alatsinainy 25 Febroary 2013

Nampanantena hanamboatra lalana vaovao mampitohy ny renivohitra amin’Ivato ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina nandritra ny kabariny fifampiarahabana nahatratra ny taom-baovao tamin’ny andrimpanjakana ny 09 janoary 2013.

 Tsy nisy fanazavana ara-teknika nomeny momba ilay tetikasa tamin’io na koa filazana ny loharanom-bola ampiasaina fa dia hoe vitaina ao anatin’ny enim-bolana ny asa. Dia mbola mijanona ho mistery avokoa ny zava-drehetra momba ity fanamboaran-dalana ity hatramin’izao satria na ny tomponandraikitra ambony ao amin’ny Ministeran’ny asa vaventy aza tsy mahafantatra na inona na inona momba an’io. “Vao tamin’iny herinandro iny ry zareo ao Ambohitsorohitra no niresaka taminay an’io ary milaza fa hampita izany aty amin’ny Ministera amin’ity herinandro ity”, hoy ity tomponandraikitra ambony iray ao amin’ny departemanta misahaana ny asa vaventy izay nangataka tsy hanononana ny anarany sy ny andraikiny. Resabe fotsiny aloha izany ny firedonana ny mangarahara sy ny fanjakana tsara tantana ho an’ny FAT. Aiza ny Bianco sy ny IGE eo anatrehan’izany ? Marihina fa manjavozavo avokoa ny ankamaroan’ireo tetikasa sahanin’ny fiadidiana ny FAT raha tsy hilaza afa-tsy ny fanajariana ny tohatohabaton’Ambondrona sy Antaninarenina izay nolazain’i Andry Rajoelina fa izy no hiantoka ny lany rehetra.

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT