Lalana “Digue”

> 4x4 nidona tamin’ny kamiao niteraka amboteazy goavana


  • Zoma 27 Septambra 2013


Nitohana izaitsizy ny lalana teny amin’ny «Digue» omaly tolakandro. Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny akaikin’ny sampanana mihazo an’Ambohitrimanjaka. Nisy fiara 4x4 Toyota Land Cruiser nitondra fianakaviana avy lavitra hitan’ny olona nivilavila fandeha ary nifanehatra tamin’ny kamiao salasalany iray mizotra hihazo an’Ambohibao iny. Mafy ny fifandonana, ary potika tanteraka ny faritra anoloana manontolo sy ny ilany ankavian’ilay 4x4 ; nihintsana kosa ny fitaratra anoloan’ilay kamiao. Nosokirina mihitsy ny mpamily vao tafavoaka tao. Tombanana fa mety ho harerahana na tratry ny torimaso fotsy ny mpamilin’ilay 4x4 ka tsy nahafehy ny familiana no niteraka ny loza. Nibahana tao anaty arabe ireo fiara nifandona, ka nampananosarotra ny fifamoivoizana tamin’iny lalana iny.

 

JD 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT