Lalam-pirenena faha-7

> Manjaka ny gaboraraka sy kolikoly


  • Alakamisy 27 Febroary 2014

Marary ny tontolon’ny fitaterana eto amintsika ka mila fanovan-drafitra arahin’asa mahomby manaja fitsipika raha te ho sitrana haingana ny goragora tafalentika lalim-paka.

Ho an’ny zotra nasionaly mampitohy an’i Toliara sy Antananarivo, dia manjaka ny gaboraraka amin’ireo kaoperativa efa ho roapolo miasa. Betsaka ny fiara antitra sy tsy manara-penitra intsony, tsy ampy fikojakojana, nefa mbola mitondra entam-be, hamenoana ny banga amin’ny fiakaran’ny vidin-tsolika, na dia hiteraka loza aza izany. Vitsy mantsy ny mpandeha ary ny saran-dalana tsy misy raikitra fa miankina amin’ny vanim-potoana.

Etsy an-daniny, mampikolay ny mpitatitra ihany koa ny afitsok’ireo mpitandro ny filaminana manao fisavana amin’ny RN7. Misy amin’izy ireo mila vaniny raha tsy mahazo vola felaka, nefa sakana miisa 39 farafahakeliny tsy maintsy hijanonana, ka manataraiky ny dian’ny mpandeha. Mbola olana lehibe saro-bahana hatramin’izao ny tsy fandriampahalemana mahazo laka amin’ny lalam-pirenena iny, noho ny asa ratsin’ireo jiolahy mpanakan-dalana mandrava sy mamono mihitsy, ka lasibatra foana ny mpandeha sy mpamily.

 

E.R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT