Actualités

Lalam-pirenena faha-44 Voaroban’ny dahalo ny lehiben’ny Faritra


  • Alarobia 06 Aprily 2011

Nizotra hihazo an’Ambatondrazaka rehefa avy nanokatra ny Tsena Mora tao Moramanga ny lehiben’ny Faritra Alaotra Mangoro, ny dokotera Ramandehamanana Richard no sendra ny tsy nampoizina ny talata 05 aprily, vao mangiran-dratsy tokony ho tamin’ny roa ora maraina.

Teo amin’ilay tetezana fantatry ny maro hoe : tetezana Rabeniasy eo atsimon’ny Kaominina Andilanatoby no nitrangan’ity fanakanan-dalana ity. Ankoatra ny fiara 4x4 nitondra ny lehiben’ny Faritra dia fiara vaventy anankiroa sy fiara mazda ary sprinter no voaroba, raha fito no voasakana teo. Lelavola manodidina ny telo tapitrisa ariary no lasan’ireo jiolahy ka tao ny fiara nahazoana vola iray tapitrisa sy efatra hetsy, tao ny nahazoan’izy ireo enina hetsy sy fito hetsy. Fiara vaventy anankiroa no voatafik’ireo jiolahy voalohany ary nibahana ny lalana. Olona roa tao anatin’ireo no naratra ary tsaboina ao Ambatondrazaka amin’izao fotoana.

Taorian’izay dia ny fiara nitondra ny lehiben’ny faritra no nosavain’izy ireo ka lasany tamin’izany ny vola dimy arivo sy roa alina ariary miampy ny poketra sy firavaka. Voaafina ara-potoana ny finday ka tsy lasa. Araka ny fantatra dia faninefany izao ny lehiben’ny faritra Alaotra Mangoro no nifanehitra tamin’ny jiolahy fa tamin’io tsy afa-niala. Ankoatra ny vola dia betsaka ny firavaka sy ny finday lasan’ireo jiolahy. Fantatra fa dimilahy, nisy misaron-tava ireto nanafika ireto ary mitondra basy poleta anankiroa, ny hafa mitondra zava-maranitra toy ny sabatra. Nandritra izany no nisy polisy avy nandevina tany Andilamena tonga teo amin’ilay toerana, ireo no nanapoaka basy raha vao nahita ny trangan-javatra.

Niteraka fisavoritahana tamin’ireo olona efa voaroba izay nasesik’ireo jiolahy tao anaty fiarabe misy fampangatsiahana izany, ka namparatra ny sasany tamin’izy ireo. Ireo jiolahy anefa tsy tratra intsony fa niporitsaka. Niteraka fitohanan’ny fiarakodia ity fanafihan-jiolahy ity ka ny talata tamin’ny enina ora sy sasany maraina vao nigadona tao Ambatondrazaka ny koperativa mampitohy an’Antananarivo sy ny faritra Alaotra iny. Efa lasa nanao fanadihadiana any amin’ilay toerana ny mpitandro ny filaminana avy ao Ambatondrazaka. Tsy milamina ny tany, ary tsy mifidy hasiana ny jiolahy, fa hatramin’ny manampahefana mpitondra dia lasibatra avokoa.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT