Actualités

Lalam-pirenena faha-44 Tena «amboarina» marina


  • Zoma 08 Aprily 2011


Roso ny asa fanamboarana ny ampahan-dalana amin’ny lalam-pirenena faha-44. Fampanantenan’i Andry Rajoelina ny hanarenana azy, raha sambany nitsidika tany Ambatondrazaka (Alaotra) izy ny sabotsy 04 septambra 2010, hatramin’izay nijoroan’ny Fahefana avon’ny tetezamita izay. Iray volana taorian’io diany io no nampanantenainy fa hanomboka ny asa, saingy efa taty an-tenantenan’ny febroary 2011 vao nisy dian’angady voalohany fisantaran’asa, noho ny olana ara-bola. Mbola noho io antony ihany dia ampahan-dalana tsy ampy 10km ihany no hasiam-panarenana, amin’izay tsy ireo toerana saro-dalana, fa tsy ilay 113km anelanelan’ny Marovoay ka hatrao Vohidiala.

Raha ny zavatra hita ny alahady 03 aprily teo, dia vehivavy no mitana angady. Maka tany kely dia atototra ny lavaka kely mba hitsahin’ny fiara be kodiarana. Raha ny fahitana azy maimaika dia tsizarizary ny fitaovam-piasana. Ny fiaran’ny patron anefa 4x4 mivezivezy tsy tapaka manara-maso... Toa mahihitra be, hono, izy koa dia matahotra fandrao manao «mimi» ny mpiasa. “Raha ilay lalana amboarina ao izay aloha dia tena «amboarina» marina tokoa e ! Vao mainka ho ratsy lavitra noho ny teo aloha io raha misy rotsak’orana mafimafy”, hoy ny mpitatitra vitsivitsy sendra ny Tia Tanindrazana.

 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT