Nipoapoaka ny fampanantenana nataon’ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina tamin’ny vahoakan’i Fandriana ny hanamboarana ny lalam-pirenena faha-41, mampitohy an’i Fandriana amin’Ambositra eo Ikelikampona (RN7).
Nandritra ny lanonam-pitokanana ny jiro vokarina amin’ny riandrano, nataon’ny orinasa Hydelec, no nanaovany io fanambarana nipoapoaka io ny 27 jona 2015. Nanantena tokoa ny vahoaka, izay efa ela niaretana ny fiantraikan’ny fahasimban’io lalana mirefy 41km monja io. Herintaona aty aoriana anefa, ny eo ihany no eo. Vao mainka aza mihapotika ity lalam-pirenena ity. Ny tanànan’i Fandriana anefa no hampiantrano ny andiany faha-13 ny hetsika ara-kolontsaina rejionaly, mampalaza an’Amoron’i Mania, dia ny Volambetohaka izany. Lanonana izay hatao amin’ny 19-20-21 aogositra ho avy izao. Sady tsy tafiditra ao anatin’ny fandaharanasan’ny governemanta, natolotry ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier, teny amin’ny Antenimieram-pirenena ny 9 mey lasa teo, ny fanamboarana an’io lalam-pirenena io, no tsy ao anatin’ny tetibolan’ny Foibem-paritry ny Asa Vaventy Amoron’i Mania ihany koa. Dia hiesona eo indray izany aloha ny vahoakan’i Fandriana, momba an’io. Vahoaka izay efa manomboka mimenomenona fatratra amin’izao fotoana izao, manoloana io haratsian’ny lalam-pirenena faha-41 io sy ny fiantraikany amin’ny fiainam-bahoaka.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.