Actualités

Lalam-pirenena faha-05 “Bye- bye” ny fanamboaran-dalana


  • Alakamisy 18 Aprily 2013

“Raha tsy mahavita ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-05 ny MainLand, dia horaisintsika ny fanamboarana azy dia horoahantsika miala eto io orinasa Sinoa io fa tsy misy ilana azy eto”.

 Ampahan-tenin’ny filohan’ny tetezamita nandritra ny fety be nitokanana ireo zava-bita tao Toamasina ny volana febroary teo izany, taorian’ny fitarainan’ireo mpitatitra mpampiasa ny lalam-pirenena faha-5 amin’ny faharatsian’ny lalana. Tsy mandeha ny asa efa iray volana teo izay noho ny volan’ireo mpanamboatra ny lalana sy ny hofan’ny fitaovana vaventy nalain’ny MainLand Mining, taorian’ny fifanolanana teo amin’ity orinasa sinoa ity sy ny SMATP izay orinasa Sinoa mpanamboatra lalana ihany ny taona lasa. Niala an-daharana ireo mpanamboatra izany, tsy mbola tonga ao amin’ny Kaominina Antetezambaro, 10km, akory ny fanamboarana amin’izao roa volana sy tapany tsy hifanarahan’ny fifanarahana teo amin’ny MainLand Mining sy ny minisiteran’ny asa vaventy ny volana janoary teo, hatrany amin’ny Kaominina Mahavelona Foulpointe, 55km miala an’i Toamasina anefa ny lalana tokony mbola hamboarina. Ny volana febroary teo, iray andro alohan’ny fitokanana ireo zava-bita anefa, dia niara-nifanome toky tamin’ny tsy hahavitan’ny RN5 ny minisitry ny asa vaventy sy ny MainLand Mining, fanambarana natao tao amin’ny lapan’ny Faritra Atsinanana.

Ankilan’izay, mbola nanome toky tamin’ny fitondrana mpanao gazety nijery ny asa ihany koa ny MainLand Mining ny volana martsa teo, fa tsy maintsy vita ny asa ary tsy maintsy tratra ny fe-potoana napetraka rehetra ny faran’ny volana mey 2013. Ny fanontaniana mipetraka dia hoe lasa aiza ny vola ana miliara Ariary nolazain’ny MainLand Mining fa navoakany hanamboarana ny RN5 ? Iza no naka azy ? Aiza ihany koa ilay vola an-jatony tapitrisa Ariary avy amin’ny MainLand Mining nomena ny minisiteran’ny asa vaventy entina hanaraha-maso ny fanamboarana ny RN5 ? Ankehitriny dia tezitra ny mpampiasa ny RN5 fa hitokona sy hanakan-dalana raha tsy misy ny vahaolana haingana, noho ny fahasimbana nataon’ny MainLand Mining sy ny orinasa niara-niasa taminy nitatitra ireo fasimainty avy any Soanierana Ivongo, ny “fanjakana” milaza ny handray andraikitra koa tsy hita sy mangina (?) amin’ny zava-misy. Ity ilay hoe “bye-bye” ny lalam-pirenena faha-05…

Rakoutou 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT