Lalam-pirenena faha-05

> Resaka sonia no mampikatso ny asa fanamboarana


  • Alarobia 28 Aogositra 2013


Anisan’ny mampitaraina ny mpandeha sy ny mpitsangantsangana ary ireo mpandraharaha ny fahasimban’ny lalam-pirenena faha-05 (RN5), nefa tsy nisy fanarenana sy fanatsarana hatramin’izao. Araka ny angom-baovao dia «tsy mbola voasonia tao amin’ny ministeran’ny asa vaventy ny fanaovana ny tolobidin’ny asa, nefa miankina amin’izay ny zava-drehetra». Fantatra anefa fa ny ministeran’ny asa vaventy no nangataka ny hanokafana ity tolobidy ity. Vokatr’io fahasimbana io anefa dia tafakatra 6.000 Ariary ny sarandalana hatrao Fenoarivo Atsinanana nanomboka tamin’ity volana aogositra ity izay atao adiny efatra raha vita adiny roa sy sasany teo aloha. Amin’ny fotoana maha betsaka ny mpandeha aza dia tafakatra hatramin’ny 8.000 Ar izy io ary milaza ny tsy hampidina intsony ny mpitatitra raha tsy efa vita ny RN5 mampijaly azy ireo.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT