Lalam-pirenena 3A

> Ahiana ho tapaka raha tsy misy fanamboarana


  • Talata 13 Aogositra 2013

Lalana mampifandray ny Distrikan’Ambatondrazaka amin’ny Distrikan’Amparafaravola ny lalam-pirenena faha-3A.

Ankoatra ny ao manainga zipo izay mampimenomenona ny mponina rehefa fahavaratra dia manomboka ahitana lavaka ihany koa ny lalana mialoha ny hidirana ny Kaominina Ampasikely. Lavaka izay lehibe eo afovoan-dalana ary mety hitera-doza ho an’ireo tsy zatra mandeha any an-toerana. Fa ankoatra ireo dia anisan’ny mampitaraina ny mponina ny fahatapahan’ny lalana afaka kelikely ny Kaominina Ambaibo. Tsy misy ahafantarana intsony ilay lalana hoe : vita godorao fa dia mihosona fotaka ny rehetra rehefa tonga amin’izany toerana izany. Ireo fiara no tena mijaly satria sady lalina ny lavaka tsy maintsy andenana no feno rano lava. Miantso ny tompon’andraikitra ara-panjakana indrindra ny ao amin’ny ministeran’ny asa vaventy ny mponina any an-toerana mba hijery azy io satria ny lalàn-dra mamelona ny fiharian’izy ireo mihitsy ankehitriny no potika. Ahiana mihitsy ny tsy ahafahana mamoaka vokatra atsy ho atsy raha tsy misy fanamboarana haingana. Distrika anisan’ireo tena mamokatra anefa Amparafarvola, ka raha tsy voavaha ny lalana dia hitotongana ny toekarenan’ny mponina any an-toerana.

Niry A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT