Actualités

Lalam-baovao Tsarasaotra Ivato Ritra ny reniranon'i Laniera


  • Alatsinainy 15 Novambra 2021

Maina ny tany. Izay no azo amehezana ny zava-misy miha mipaka manerana an’I Madagasikara amin’izao fotoana izao.

 Miandry ilay orana voatr’olombelona ho alatsaka any amin’izy ireo izany amin’izao fotoana izao ireo mponin’I Fianarantsoa. Tamin’ny herinandro teo moa no nampahafantatra ny faharitan’ny rano any an-toerana ny avy eo anivon’ireo sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra. Tsy niandry ela fa avy hatrany dia namaly izany ny fitondram-panjakana ary nilaza fa handatsaka orana voatr’olombelona na artifisialy any an-toerana ary dia mbola tsy afa-po fa miandry hatrany moa ny any an-toerana, raha ny fampitam-baovao voaray. Tsy ny any amin’ny faritra ihany fa hatraty anivon-tany koa ankehitriny ity hain-tany ity. Ritra koa ny renirano sy tanimbary hatramin’ny lavadrano, araka ny efa nambara teto, any Andranovelona Ilafy sy ny manodidina any. Hita ny sabotsy teo koa fa ritra ny reniranon’I Laniera eny amin’iny lalam-baovao Tsarasaotra Ivato iny.
J. Mirija
Legende: Ny paozin’ny reniranon’I Laniera hita ny sabotsy teo
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT