Actualités

Lakana rendrika tao Salary Mpandeha 3 namoy ny ainy, 3 mbola karohina


  • Alatsinainy 07 Jona 2021

Lakana iiray mpitatitra olona, mandeha milina, mirefy 8m ny halavany sy 0,70m ny sakany rendrika tany an-dranomasina ny sabotsy 5 jona 2021

 



 tamin’ny 6 ora sy sasany maraina, tany amin’ny 2km manalavitra an’i Salary niaingany raha nikasa ho any Toliara. Araka fampahafantarana nataon’ny Antokon-draharaha misahana ny fifamoivoizana an-dranomasina sy an-dranomamy na APMF dia nisy mpandeha 32 sy mpanamory 2 no tao anatin’ilay lakana, ka maty vokatry ny loza ny olona 3 tamin’izy ireo izay vehivavy 52 taona ny iray sy zaza 2 taona sy 3 taona. Vehivavy telo hafa, 20 taona ny roa ary 50 taona ny fahatelo tsy hita ka mbola karohina amin’izao fotoana izao. Voavonjy kosa ireo mpandeha miisa 28, anisan’izany ireo mpitondra ny lakana roalahy izay mbola tsaboina any amin’ny hopitaly. Ny fahavesarana tafahoatra sy ny fahapotehan’ny hazo fanary no voalaza fa niteraka ny loza.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT