An-taonany maro, raha ny fanazavan’ny mpahay manokana momba ny drafitry ny tanàna ao anatin’ilay tetikasa antsoina hoe PRODUIR,
Miangaly Rabodomalala, no nilona tanatin’ireo tatatra na lakan-drano eto Antananarivo ireo fako sy fotaka ka antony mahatonga ireny tanana dibo-drano isaky ny avy orana ireny. Tsy maintsy misy, noho izany, ny filana fisokirana izay lakan-drano izay ahafahana manatontosa ireo asa hafa ho fampivoarana ny tanan-dehibe hahatonga azy hitoerana fiarahamonina mifanaraka amin’ny vanin’andro ankehitriny, raha ny fanazavana. Ny PRODUIR moa na koa hoe “Projet de Développement Urbain Intégré et de Résilience”, araka izay anarany izay dia miompana indrindra amin’io fampandrosoana ny tanan-dehibe sy fampidirana ny mponina ao aminy mba hiaina izay maha mendrika ho mponin’ny tanan-dehibe azy izay. Tafiditra ao anatin’izay ihany koa, raha tsiahivina, ny faraparan’ny volana aogositra 2021 teo, no voalaza fa tokony efa atomboka ny fananganana fonenana mendrika miisa 87 eny Andavamamba ary manoloana ny asa fanatsarana ny lakan-drano C3 dia tokantrano miisa 84 teo no novinaniana ho voatery tsy maintsy handao ny fonenany, raha ny tsiahim-baovao hatrany.
J. Mirija
Legende: Miangaly Rabodomalala
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.