Nodimandry ny alin’ny talata 02 martsa teo amin’ny faha-90 taonany i Lahady Samuel,
Governoran’ny faritany mizakatenan’i Toamasina tamin’ny Repoblika faharoa. Efa loholona, Tale tao amin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny, Lehiben’ny distrikan’Antsiranana, Ambasadaoro tany Alzeria sy Alemaina,… Gadra politika izy taorian’ny raharaha 2002, ary nisafidy ny hitsahatra tamin’ny raharaha politika nanomboka ny 2006. Narary ny talata maraina teo I Lahady Samuel, nentina tany amin’ny Manara-penitra tao Toamasina tao amin’ny Sampana Famelomana aina fameloman’aina. Efa nihatsara, nahazo efitrano, niova ny toe-pahasalamany ny takariva, raha ny fitantaran’ny fianakaviany. Rehefa natao ny “radio”, dia hita fa nisy olana tamin’ny fony, ka izay no nitarika tamin’ny fahafatesany. Mirary fiononana feno ho an’ny Fianakaviany manontolo isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.