Novoizin’ny fampahalalam-baovao vahiny fa ny lavanila Malagasy nampisaina tamin’ilay lagilasy Häagen-Dazs izay norarana tsy azo hamidy any Eoropa no fositra, misy akora « pesticide»
ahitana singa «oxyde d’éthylène» na ETO miteraka homamiadana na « cancer ». Nanitrikitrika kosa ny Minisitry ny fambolena sy ny fiompiana araka ny notanteran’ny fampahalalam-baovao iray omaly, fa io akora famonoana bibikely nambara fa hita tamin’ny lagilasy vokarin’ny Häagen-Dazs io, dia voarara sy tsy azo ampiasaina eto Madagasikara. Voarara eto, ary tsy misy eto Madagasikara io akora io, ka tsy avy aty Madagasikara ny lesoka. Ny fanadihadiana nampanaovin’ny General Mills izay mpamokatra ity lagilasy ity, dia avy amin’ny lavanila novidiana avy aty Madagasikara no nisy io singa io, hoy ny fampahalalam-baovao Frantsay. Nisy ihany koa ny nilaza fa miara-miasa amin’ny mpamokatra «crèmes glacées » izy ireo. Tsara ny manamarika fa ny General Mills no orinasa ara-tsakafo faha-6 matanjaka indrindra maneran-tany, manana renivola 18 miliara dolara, raha ny tatitra tamin’ny taona 2020. Voalaza fa mandalo fikarakarana sy fitsirihana maro ny vokatra aondrana, indrindra rehefa tonga any amin’ny mpandray azy any ivelany. Ny loharanom-baovao avy amin’ny mpikamban’ny CNV (Conseil National de Vanille de Madagascar) dia nanipika fa misy ny fitsirihana eto an-toerana amin’ny mety ho fisian’io akora mialohan’ny fanondranana, hoy hatrany ny fampahalalam-baovao iray omaly. « Amin'izao fotoanan'ny andro mahamay be aty amin'ny ilabolan-tany avaratra izao no mipoaka ny ady amin'ny fividianana « glace » ampiasana ny lavanila avy any Madagasikara! Lazaina fa misy izany « oxyde d'éthylene » izay miteraka homamiadana hono izany ny lavanila avy any ary dia tonga tokoa ny fampiantsoana fanalana ny fivarotana azy any Europe. Maninona kay no tsy nisy izany taona maro nivarotana azy izay? Malaza eran-tany nefa fa “BIO” ny lavanila gasy! Hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha! Mbola tsy tonga aminay aty Canada na Etazonia izany fa mety ho tonga raha ny fampielezan-kevitra ratsy avy any Eoropa no mbola mitohy! Nividy aho androany fa niakatra 32° ny maripana sady mba hiarovako ny lavanila avy any Madagasikara!... Tsara ilay izy sady fanaonay hatramin'izay ny mividy azy fa tena tian'ny ankizy be hatramin'ny fahakelinay! Tetika ara-barotra hifanaratsian'ny mpanao lagilasy no fahitako azy sy ny mpampiasa lavanila”, hoy ny teratany Malagasy, manam-pahefana ambony teo aloha, monina any Otawa Canada naneho hevitra andro vitsy lasa izay.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.