Actualités

Ladoany Malagasy Very 65 miliara Ariary ny taona 2012


  • Alakamisy 07 Febroary 2013

Tsy niahotra ny Tale jeneralin’ny ladoany Malagasy, Vola Razafindramiandra, nilaza fa “efa tsy lavitry ny manara-penitra ny fadintseranana Malagasy taorian’ny fanavaozana goavana natao nanomboka ny taona 2005, ka nametrahana ireo fitaovana arifomba amin’ny fenitra iraisam-pirenena”.

 Na eo aza ny ezaka natao dia nanana fahasahiranana ihany ny ladoany Malagasy tao anatin’ny efa-taonan’ny krizy politika izay, na tsy nihemotra tamin’ny fanovan-drafitra efa napetrany aza. Tsy nitsahatra nitotongana ny fidiram-bolam-panjakana satria tamin’ny taona 2012 dia nahatratra 65 miliara Ariary ny vola tsy tafiditra (GAP) teo anivon’ny fadintseranana.

Ny antony, araka ny fanazavan’Atoa Vola Razafindramiandra, dia “noho ny vola 147,5 miliara Ariary tsy tafiditra teo amin’ny hetra mikasika ny fanafarana solika ny taona 2012”. Nomarihan’ny Tale jeneralin’ny ladoany Malagasy anefa fa “fepetra noraisin’ny fanjakana tetezamita mba hihazonana ny vidin’ny solika eo amin’ny mpanjifa, dia natao solon’ny “subvention” nomena ireo mpandraharahan’ny solika ny hetra tokony ho naloan’izy ireo, ka nihafy niaraka tamin’izany ihany koa ny fandintseranana Malagasy”.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT