Actualités

Ladoany Ivato Tsy misy entana mivoaka sy miditra hatry ny omaly


  • Zoma 08 Jolay 2011


 Raha mbola adihevitra be ny fitohizan’ny fitokonana ho an’ireo mpiasan’ny fadintseranana eny Antanimena sy Antaninarenina noho ny tsy fitovian-kevitra manoloana ny soso-kevitry ny minisitry ny vola Hery Rajaonarimampianina dia miray hina tanteraka kosa ireo mpiasan’ny ladoany eny Ivato. Nampitsahatra ny asa avokoa ny mpiasa 160 ao amin’ny sampandraharahan’ny “FRET” omaly tolakandro taorian’ny fivoriambe notontosaina ny maraina. Araka ny fanazavana dia ny firaisankina amin’ireo namana mitokona no mibaiko ny fanapahan-kevitra hampitsahatra ny asa izay mitohy amin’ity anio ity. “Tsy misy miverina miasa ety raha tsy efa mahita marimaritra iraisana amin’ny ministera”. Araka izany dia tsy mandefa na mandray entana mankany ivelany ity sampandraharaha ity. Misy ihany anefa ny fepetra manokana horaisina raha sendra misy razana alefa na ampodiana na koa entan’ny masoivoho vahiny na koa entana mora simba toy ny fanafody izay tsy azo tazonina maharitra, araka ny fanazavan’ireo mpiasa hatrany. Hisy indray anio zoma ny fihaonan’ny solontenan’ny ao anatin’ilay vaomiera najoro handray an-tanana ny fanelanelanana amin’ny minisitra ka ny vokatr’izany no hamaritra ny ho tohin’ny raharaha.

 

Yves

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT