Actualités

Ladoany Antanimena Niverina nitokona


  • Alarobia 10 Aogositra 2011

Nikatona nanomboka omaly tolakandro tamin’ny telo ora ny biraon’ny sampandraharahan’ny fadintseranana Antanimena.

 Nanapa-kevitra ny hiverina hitokona indray ny mpiasa ao an-toerana taorian’ny fahataperan’ny fampitandremana 24 ora nomen’izy ireo ny ministeran’ny tetibola omaly rehefa tsy nahazo valiny avy amin’ny tomponandraikitra. Nisy moa ny fivoriana notontosain’ireo mpiasa ny alatsinainy teo nanomezany io fepotoana 24 ora io izay nifarana omaly tamin’ny telo ora tolakandro. Mbola tohin’ny raharaha nahatonga azy ireo hihetsika tamin’ny herinandro voalohan’ny volana jolay ity fitokonana ity.

Tsy misy asa mivaingana mantsy ny fanatanterahana ireo fanapahan-kevitra efatra loha toy ny fampijoroana ara-dalàna ny vaomiera misahana ny fametrahana ny sata manokan’ny mpiasan’ny fadintseranana, ny vaomiera miandraikitra ny fanadihadiana mahaleotena ahitana solontenan’ny mpiasa amin’ny raharaha fanondranana andramena izay mahavoarohirohy ny mpiasan’ny fadintseranana mirahalahy no sady nampiatoana amin’ny asany ny lehiben’izy ireo ary ny vaomiera misahana ny famindrana ny fahaizamanao amin’ny teknolojia Gasy Net. “Leon’ny fandrebirebena sy ny famezivezena izahay satria tsy misy mangirana hatramin’izao ny fanadihadiana momba ilay raharaha fanondranana andramena”, hoy ny solontenan’ny mpiasa.

Nohamafisin’izy ireo amin’ny taratasy fampandrenesana ny fiverenan’ny fitokonana ataony izay nalefany any amin’ny minisitra koa fa natao hanakonana ireo fanetriben’ny firenena fotsiny ny mpiasan’ny ladoany satria tsy voarohirohy amin’io aferana andramena io mihitsy ireto farany, araka ny fanadihadiana. Nambaran’ny mpiasa koa fa fidedahana fotsiny no ataon’ny lehibe izay milaza fa efa miasa ara-dalàna ireo vaomiera isan-tokony ireo kanefa tsy misy akory lalàna mamaritra ny fitsanganany. Manginy fotsiny, hoy izy ireo hatrany ny fanemorana lava ny fivoriana tokony handinihana ireo fitakiana efatra ireo. Andrasana amin’ity anio izay ho fihetsiky ny foiben’ny sampandraharahan’ny fadintseranana sy ny ministeran’ny tetibola. Ny azo antoka aloha dia hiato indray ny fampidirana sy famoahana entana ao an-toerana mandra-pivahan’ny olana.

 

Yves

 

Sary : Nikatona ny biraon’ny sampandraharahan’ny fadintseranana Antanimena (sary Rakotobe Michel)

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT