Actualités

Ladoany Antanimena Nanaovana didin’ny besandry


  • Alakamisy 11 Aogositra 2011

Mitohy ny fampihorohoroana ! Hery famoretana tokoa mantsy no nasetrin’ny FAT ny fitokonana ataon’ny mpiasan’ny fadintseranana Antanimena nanomboka omaly.

Fiara 4x4  maromaro feno mpitandro ny filaminana avy ao amin’ny Emmo-Reg no nidina teny an-toerana niaraka tamin’ny vadintany iray hampandeha ny “serveur” ao an-toerana, izany hoe ilay solosaina mirakitra ny antontan-kevitra sy antontan-taratasy rehetra momba ny fadintseranana. Nosokafan’izy ireo ankeriny, araka izany, ny efitrano fitoeran’io milina saropady io tokony ho tamin’ny roa ora tolakandro mba hahafahana mampandeha azy. “Raha vao mandeha io serveur io dia tsy misy ilana mpiasa loatra satria ilay masinina ihany no manome toromarika ny asa atao izay efa tsotsotra”, hoy ny mpitondra tenin’ny mpiasa.

Samy nilaza ho tsy nahita ny nidiran’ireo mpitandro ny filaminana tao amin’ny toeram-piasany ireo mpiasa nitokona izay mandray ny FAT ho tompon’antoka raha misy ny fahasimbana. Misy tamin’izy ireo koa no nilaza fa mpamily no nasaina nandray ny asany. Araka ny vaovao azon’ny solontenan’ny mpiasa omaly hariva dia nohamafisin’ireo Emmo-Reg amin’ny “cadenas” goavana ny hidin’ilay birao misy ny “serveur”. Nambarany koa fa nisy ny vola navoaka avy ao amin’ny kaontin’ny “statistisque douanière” handoavana ny tambin-karaman’ireo miaramila ireo. Tsy mihemotra amin’ny fitakiany anefa ny mpiasa izay miray hina tanteraka na eo aza izany herim-pamoretana izany sy ny fandrahonana isan-karazany. Ampitahorin’ny fitantanana ny fadintseranana hotapahana karama avokoa ireo mpitarika ny fitokonana ao Antanimena, araka ny nambaran’izy ireo, raha asaina manao sonia taratasy manamarina ny fahatongavana miasa avokoa ny “receveur” rehetra miasa eny Antaninarenina manomboka anio alakamisy. Matahotra ny hitaran’ny hetsika mantsy ny mpitondra.

 

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT